Edito

Nikisaka mangina


  • Zoma 21 Mey 2010


Tsy hita tabilao ary tsy nandrenesam-peo mihitsy ny komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Bruno Razafindrakoto omaly na dia teo aza ny fifampitifirana teo amin’ny FIGN sy ny FIS notohanan’ny Emmo Reg. Raha ny tsiliantsofina re dia tsy eto an-toerana mihitsy fa toa hoe lasa nivoaka any ivelany ity manampahefana ity. Somary nanaitra ny rehetra ihany izany satria ao anatin’ny vanim-potoana mavaivay tahaka izao mihitsy no tena ilana ny tompon’andraikitra, mba hanazava ny sain’ny vahoaka sy hilaza ny tena marina. Ny FIGN rahateo dia ao anatin’ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena, ary efa hatry ny ela no fantatra fa misedra olana. Fialana bala, araka ny fomba firesaka no nisokajian’ny mpanara-baovao izao fihetsiky ny komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena izao. Azo adika koa anefa izao fihetsiky ny jeneraly Bruno Wilfrid izao, fa efa tena sarotra ny toe-draharaha, ka mba tsy hanan-tsiny dia aleo, mangina na misintaka kely mihitsy aloha. Efa fomba fanao ihany moa izany ho an’ny tompon’andraikitra ambony sasany. Tsotra mantsy ny valin-teny amin’izay, rehefa anontanian’ny mpanao gazety na ny mpanao fanadihadiana any aoriana hoe : «tsy teto an-toerana aho tamin’io fotoana io, ary efa nisy tompon’andraikitra nisolo toerana vonjimaika ahy tao». Azo vinavinaina avy amin’izany tranga rehetra izany koa anefa fa efa manomboka tsy to-teny eo amin’ireo olona feheziny intsony ity lehiben’ny zandarimariam-pirenena ity, ka naleony nanaja tena, toy izay hitsanga-menatra tsy hisy mankato sy mpanaraka intsony. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT