Edito

Nijabaka


  • Alarobia 11 Novambra 2015

Asa na hiditra amin’ny 100 andro fahatelo manaraka indray ny fitondram-panjakana na ahoana fa dia efa vita iny aloha ny 100 andro faharoa. Tsy mbola naharay tatitra aho, hoy ny filoham-pirenena omaly.

 


 Toa efa tsinjo sahady anefa fa tsy hisy akory fepetra horaisina raha toa ka nisy departemanta tsy nahavita araka ny tokony ho izy ny asany. Ny tanjona napetraka rahateo efa nokajikajiana ho antonony sy tsotsotra ka mora ny fialana bala rehefa avy eo, ary lazaina fa tratra tamin’ny ampahany betsaka ny tanjona. Karazana fihetsiketsehana fotsiny no tena betsaka, hoy ireo mandinika ety ivelany fa ny tena marina dia tsy mahavita na inona na inona satria sady tsy manam-bola no tsy ampy fahalalana sy fahaiza-mitantana. Manampy an’io ny fidedahana amin’ny zavatra efa hita fa tsy ho vita tahaka ny hoe fanafoanana ny delestazy, ady matanjaka amin’ny asan-dahalo … Arakaraka ny nanaovana ny fanambarana no toa vao miha mirongatra ireo zavatra roa ireo. Tsapa fa diso fomba fiseraserana tanteraka ny fitondrana Rajaonarimampianina ary tena nijabaka tamina sehatra maro samihafa, hany ka miezaka mamono afo sisa no sady manilika ny rihitra any amin’ny hafa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT