Edito

Nihemotra isika e!


  • Alatsinainy 30 Desambra 2019

Fotoana fohy dia hivalona ny taona 2019. Samy manana ny hamehezana azy ny isam-batan’olona,

arakaraka ny zavatra niainany sy nosedrainy avy. Raha ho an’ny firenena sy ny fiainana ankampobeny kosa, dia ratsiratsy ihany tamin’ny ankampobeny. Nahazo mpitondra vaovao izay tena nampanantena an’I Madagasikara ho lasa paradisa kely isika. Saika re isaky ny mivoaka ny vavan’ilay filoha, fa tena hamiratra ny ho avin’ilay Madagasikara. Indrisy anefa, fa toa mijanona ho kobaka am-bava ny ankamaroany. Tsy miova ilay fomba nentina nambaboana antsika 10 taona lasa izay, ka raha mba efa tany amin’ny fandrosoana ilan-tongotr’I Madagasikara, dia nihemotra tany aorian’ny fiaingana. Hatreto mbola tsy mahadingana ny dingana efa vita tamin’izany. Tsy arakaraka ilay noresahina fa hovitaina 5 taona ny tsy vitan’ny teo aloha nandritra ny 58 taona. Indrisy fa ny fahasimbana sy ny fahantrana tsy hita 58 taona aloha no tena jinjaina izao. Tsy tena voaavaka eto ny hoe inona no maika sy mahasoa sy ny hoe inona no mahafinaritra. Nihemotra isika na ara-toerana na ara-demokrasia! Tsara haingo sy miravaka ny tanàna! Tena tsara sy manintona, fa ilay vahoaka miaina ao anatin’ireny ve tena mbola mihinan-kanina in-telo isan’andro? Ilay tra-boina any Avaratra-Atsinanan’ny Nosy ve mba misy mamonjy sy mijery sa ny hifety be any Lafrantsa no ambony? Tsy sanatria fitia te hitsikera fa tsy arakaraka ny vava be natao ny asa. Tsy arakaraka ny famotehana efa vita ny zavatra atao. Irariana mba hiara-hivalona amin’ity taona ity balarora, ka ny fanatanterahana no tena himasoana amin’io taona ho avy io. Ny tànana efa zatra mitsotra anefa, hono, tsy afaka ny hivokona intsony, kanefa ny hamisavisana ny ratsy tokoa mba hiavian’ny soa e!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT