Na ny fotoana hanofisana aza ankehitriny dia tazana ho tsy hananan’ny ankamaroan’ny Malagasy izay mitrongy vao homana intsony.
Nohon’ny hamafin’ny fiainana izay manery azy hitady hatrany dia miainga maraina mandeha mitady izay ho arapaka anio ary tsy miverina raha tsy mody masoandro ankehitriny no andavanandrony. Misakafo ny hariva, raha tahiany ka mbola mahita izay ho arapaka izay ary rehefa matory kosa ny alina dia tonga amin’ilay fomba fiteny hoe “matory maty” tsy misy fotoana hanofisana intsony. Tononkira tamin’ny taona 70 sy 80 moa ilay hoe “ny sakafonao no ferany” fa ankehitriny dia hatramin’ny nofin-dRamalagasy mihitsy no feran’ireo mpitondra sy mpanao politika mambam-pahefana. Mampahatsiahy ny fanontaniana napetraky ny mpandinika raharaham-pirenena iray izay manao hoe ilay Madagasikara “fictif” izay misy ny tontolon’ireo mpitondra sy ny akaiky azy ireo ihany ve no hampandrosoana sa ilay Madagasikara “reel” izay hitambarana amin’ireo Malagasy 27 tapitrisa mbola miaina ao anaty fahantrana ny 95% ? Nihemotra hatrany isika. Izay aloha no zavatra hita sy tsapa tao anatin’ny 59 taona raha indray akapoka ny fomba fijery ary saika amin’ny lafiny rehetra io. Ny fanatanjahantena ihany angamba no hany hita misongadina ho nahitam-pandrosoana. Ny toekarena nitotongana. Ny politika koa, mazava ho azy, matoa vao mainka niha nahantra lavitra noho ny tamin’ny andron’ny fitondrana talohan’ny taona 2002 ny firenena ankehitriny. Tsy zarizary ny sosialim-bahoaka ary miha mivoatra gaigy miha tsy mitana intsony ny kolontsaina Malagasy. Ny hany vahaolana hitan’ny fitondram-panjakana anefa manoloana izany rehetra izany dia ny mbola hoe hanamafy ny fahefany amin’ny fomba rehetra ihany. Fa tsy efa rakotra, fara fahakeliny, 90% volomboasary ve anefa amin’izao fotoana izao ny fitondrana ny fanjakana sy ny tany? Maninona anefa no mbola tsy mety mandroso ihany?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.