Edito

Nihemotra fa tsy niroso


  • Talata 26 Aogositra 2014

7 volana katroka omaly no nitantanan’i Hery Rajaonarimampianina an’i Madagasikara, fitsidhana any ivelany aloha izao no tena asa nisongadina vitany, miampy fitokanana zava-bita vitsivitsy, nanamaloka izay 7 volana izay ihany koa ny famakian’ady nataon’ny fitondrana tamin’ny mpanao gazety amin’ny ankapobeny

Izay fihetsika novidiany lafo satria tena masiaka amin’ny fitondrana ny ankamaroan’ireo trano fanaovan-gazety eto Madagasikara ankehitriny. Mikatso ilay fampihavanam-prenena nimatimatesan’ingahy filoha fa hotohizany sy horaisiny an-tanana manokana, nijanona ho fampanantenana poakaty ny fanafoanana ny delestazy ao anatin’ny enim-bolana. Tsy tanteraka ny fampianarana maimaimpoana eny amin’ny ambaratonga fototra, nivadika ho nofy ratsy ho an’ny fanjakana ny momba ireo mpampianatra FRAM, nitombo ny fanafarana vary avy any ivelany, manomboka misondrotra ny vidin’ny PPN eny an-tsena. Tsy mazava hatramin’izao izay tena politikan’ny fanjakana momba ny fametrahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Tsy sanatria fanakianana be fahatany, fa miara-mahatsapa ny rehetra fa tena tsy misy zavatra mandeha amin’izay laoniny eto e ! Tsy resaka hoe fohy na lava ny vanim-potoana nitondrana, fa tena ilay fomba fiasa sy ny paikady ampiasaina mihitsy no hita fa tsy mahomby. Tsikaritra ihany koa fa tsy mahay misafidy ny ekipa miara-miasa aminy ny filoha, ka maro amin’ireo no mampidi-kizo azy sahady sy tena manaratsy endrika ilay fitondram-panjakana amin’ny ankapobeny mihitsy. Soa ihany aza fa mbola variana mampitovy tadin-dokanga ny mpanohitra ka malemilemy fihetsika fa raha misy vondrona mpanohitra tena matanjaka eto dia ho mora ny handrodana izao fanjakana izao. Asa hoe inona indray ny fialana bala ? Aleo afaka herintaona indray ve vao mifampitsara sa ahoana ? Andrakandrana aloha no hita hatreto, tsy maharesy lahatra ny maro fa hahavita hamaha ny krizy i Hery Rajaonarimampianina, miverina avokoa ankehitriny ireo karazana fitokonana sy fitakiana nitranga nandritra ny tetezamita, tsy nisy fivoarana mihitsy anie izany teto e ! Nihemotra fa tsy nandroso !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT