Edito

Nidofotra ny «Plan B»


  • Zoma 07 Mey 2010


Tsy tafavoaka ny baolina. Tsy hanolotra miaramila ho ao anatin’ny governemanta iarahan’ny sivily sy miaramila ny foloalindahy, araka ny fanambarana niarahan’ny lehiben’ny Etamazaoro miaramila, ny jeneraly Ndriarijaona André sy ny kaomandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Razafindrakoto Bruno Wilfrid. Nanipika anefa izy ireo fa amin’ny maha olom-pirenena ny miaramila dia tsy manakana raha misy ilan’ny fanjakana azy izy ireo. Ny lojikan’ny fanambarana nataon’ny foloalindahy ny 12 aprily, nangataka tamin’i Andry Rajoelina ny sori-dalana mazava sy ny hoenti-manana izany, sy ny 06 mey nanehoan’izy ireo ny fanapahan-keviny dia mazava fa tsy naharesy lahatra ny foloalindahy ilay sori-dalana. Karazan’ny tsipaka ambavafo ho an’i Andry Rajoelina ihany iny, izy izay niandrandra fa hanohana ny “Plan B” ny foloalindahy. Toa mieritreritra paikady hafa indray i Andry Rajoelina sy ireo mpanolotsaina azy vokatr’izany. Araka ny tsiliantsofina re dia mety hivadi-dela (tahaka ny fanaony) indray ato ho ato ny filohan’ny FAT, ka hanaiky ny hifampidinika amin’ireo lehiben’ny ankolafy telo sy ny mpanelanelana. Iaraha-mahita mantsy ankehitriny fa vahaolana miteraka olana iray vaovao foana no avoakan’ny tetezamitan-dRajoelina ka vao mainka mampitombo ny fahorian’ny firenena sy ny vahoaka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT