Edito

Ndrao hakanosana !


  • Alatsinainy 19 Febroary 2018

Zava-dehibe ho an’ny hoavin’ny firenena izay filoham-pirenena vaovao ho lany eo amin’ity taona ity.

 Na ho tontosa amin’ity taona ity na ho amin’ny taona ho avy ny fifidianana sy ireo ho solombavambahoaka vaovao dia tsy hampiova ny iraka tokony hotanterahin’ireo olom-boafidy arakaraka ny sata nifidianana azy ireo akory izany. Ny fandaharam-potoana na ny « vina » no mety samy manana fa ny hitsarana ny tsirairay any am-parany dia hoe nahafahana nampandroso an’ilay Madagasikara ve sa tsia. Ny mahagaga amin’izao fotoana dia samy efa mamoaka vina daholo ireo filohana antoko sy vondrona politika heverina ho matanjaka eto amin’ny firenena saingy hatramin’izao dia tsy misy sahy milaza afa-tsy iray ihany na hirotsaka hofidiana na tsia. Ny iray efa niteraka tsikera sy resabe raha sahy niteny tamin’ny fotoan’androny fa tsy niomana ho filoha kanefa moa izany dia andeha atao hoe tafakatra tsy fidiny teo amin’ny fitondrana. Ny iray indray naka fahefana an-keriny fa ny mahagaga amin’ny roa tonta amin’izao fotoana dia hoe mbola malalaka ny fotoana ahafahana milaza hoe hilatsaka. Maninona no tsy lazaina dieny izao izay tena fanapahan-kevitra ? Tsy tonga amin’izay ve ny fotoana tena ahafahan’ny vahoaka hilaza izay tena tiany amin’izay ho an’ireo izay nisora-tena ho mamim-bahoaka mandrak’ankehitriny rehetra ? Sarotra ve ny mahatsapa hoe nahavita azy na tsia sa mbola misy kajy hafa hilalaovana ny hoavim-bahoaka indray ? Ndrao hakanosana re !

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT