Edito

Ndao hivoatra


  • Talata 03 Janoary 2017

Tsy re tsaika lasa, tsy re feo tonga…maro tamin’ireo manampahefana ambony Malagasy no efa manana fahazarana miala sasatra any ivelan’i Madagasikara rehefa tonga ny krismasy na ny taom-baovao.

Tsy vitsy koa ny artista no efa voafandrika mialoha fa hanentana lanonana any ivelany isaky ny alin’ny 31 desambra.Dia mba mitovy izany eto ny mpitondra sy ny artista; fa mba ahoan akosa ilay Malagasy tsotra, na ny vorona aza tsy taka-bidy eny an-tsena, ny vary lasa plastika, tratran’ny danik’andro avy eo kotsan’ny orana satria tsy mba manana fiara an’ny tena manokana fa na misisika taksibe na mandeha an-tongotra.Tsy sanatria fialonana ny anjaran’ny sasany fa tena goavambe loatra ny elanelana eo amin’ny manan-katao sy ny farahidiny eto amin’ity firenena ity.Fa ny tena manahirana indraindray dia ireo efa sady manan-katao no azo atao hoe manam-pahaizana no mbola manambaka ireo sahirana.Mamomboka malaza izao amin’ity 2017 ny fifidianana ary efa hipoitra tsikelikely ireo mety ho kandida; ny olona efa sahirana tsy manana faharetana handinika sy hamakafaka intsony fa anjaran’ireo mpanao politika ny miezaka mifehy tena sy manabe ny vahoaka fa tsy sanatria atakalo vary 1 kilao miampy menaka kely sy vola 10 000 Ar foana ny latsa-bato.Azo atao tsara ny mivoatra miha tsara fa tsy mihakazaka any amin’ny fahaverezana foana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT