Niova endrika tanteraka raha ampitahaina tamin’ireo governemanta nifandimby tato anatin’ny tetezamita ilay nitsangana ny sabotsy 26 martsa teo. Raha amin’ny endrika ety ivelany sy ny anarana ary ny fironana politika misy ireo ministra mandrafitra azy aloha dia azo ambara fa hita taratra ao ny fiaraha-mitantana. Voahaja (?) ny fitsinjaran’ny isam-paritra, nahazo toerana ireo mpanao politika nanamarika ny tranga teto tato anatin’ny herintaona latsaka kely, ary na ireo nanohitra mafy ny FAT sy tsy nanaiky mihitsy an’i Andry Rajoelina ho filohan’ny tetezamita aza dia nahazo ny anjarany ao anatin’izany governemanta izany. Maro ny manam-pahaizana ao, izay azo ambara fa teknisianina tanteraka fa tsy dia mpanao politika loatra. Misy koa ireo olom-baovao tanteraka, na ny tena marina kokoa dia tsy anarana fandre firy amin’ny sehatry ny politika.
Tsikaritra ao anatin’ity governemanta ity koa fa tsy sahy nanilika ireo tena nanampy azy tamin’ny tolona nandrodanana an’i Marc Ravalomanana i Andry Rajoelina, ka namerina tamin’ny toerany ny ministry ny fitsarana Razanamahasoa Christine, ny ministry ny mponina Nadine Ramaroson ary ny ministry ny fanajariana ny tany sy ny fanapariaham-pahefana Hajo Andrianainarivelo. Nanome toromarika ireo ministra ny filohan’ny tetezamita mba hanao fanambaram-pananana sy tsy hampiasa fitaovam-panjakana amin’ny zavatra hafa ankoatra ny asa na iraka ofisialy. Tsy misy ambonin’ny lalàna, araka ny nambarany ihany fa dia handraisana fepetra avy hatrany izay ministra manao kolikoly na manararao-pahefana. Izay raha ny endrika ivelany, ho hita eo kosa ny tena marina rehefa handray ny toeram-piasany tsirairay avy ireto ministra ireto. Mbola handany iray volana amin’ny fandrafetana ireo ekipa hiara-kiasa aminy sy handaminana ny tombontsoa sy ny karama ve, sa tonga dia hiasa marina ary hanao izay hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena hampiverina miandalana ny fanampiana ara-bola avy any ivelany, sy hanomana ny fifidinana izay tokony hotanterahana amin’ny tapaky ny volana septambra amin’ity taona ity, araka ny voalazan’ilay sori-dalana.
Ny avy amin’ny mpanohitra moa, indrindra fa ny ankolafy 3 dia nanamafy ny sabotsy teo ihany fa tsy manaiky io governemanta io, ary milaza fa tsy hamaha ny krizy io. Atoa Ravalomanana manokana dia niantso ny vahoaka Malagasy mba tsy ho taitaitra amin’ny zava-misy ary haharitra fa tsy maintsy hipoitra ny marina, fa tsy fitahana lava amina rafitra sampona tahaka izao hatrany ny Malagasy. Tsy misy azo antenaina amin’io governemanta najoro maimaika io raha ny nambaran’ity filoha teo aloha ity ka aoka ny rehetra tsy horebireben’ny kabary ambony vavahady. Koa mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe : dia inona indray no ho tohiny ? Efa mba tena dingana goavana tokoa amin’ny famahana ny krizy araka ny fanambaran’ny mpitondra ao anatin’ny tetezamita ve izy ity sa tena fandaniam-potoana toy ny filazan’ny ankolafy telo azy ? Tena azo itarafana ny fihavanana marina ve izy io sa nanaiky tsy fidina ny toerana noterena hiandraiketany ireo avy amin’ny mpanohitra niditra ao, sa tena tsy afa-nanohitra fa dia aleo ministra toy izay hanatevin-daharana ny eny Antanimora sy Tsiafahy ? Dia tena tsy hisy intsony marina ve ny fanovana ny mpikambana ao anatin’ny governemanta, sa ity no tonga amin’ilay fomba fiteny hoe ndao fa lalana…hihaona ihany isika atsy aloha kely atsy ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.