Edito

Natao ihany ny tsy hiteny Aiza ilay hoe : «Laďcité de l’état» ?


  • Alatsinainy 02 Aogositra 2010


Anisan’ny mahatonga ny fisalasalana sy tsy hatokisan’ny maro ny Dinika Santatra ny fisian’ireo mpanao politika sy mpikarama an’ady politika ao anatin’ireo vondron’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo ambara fa Raiamandreny Mijoro (Raiamandreny najoro ???). Mampanontany tena ny maro ny fisian’ny mpitandrina Ramino Paul, mpitandrina tao Amparibe famonjena nandritra ny taona maro, ao anatin’ireo raiamandreny mijoro. Marina fa efa nisotro ronono Ramino Paul, saingy tsy mahafafa ao an-tsain’ny maro ny maha mpitandrina Fjkm azy sy maha mpikambana azy ao amin’ny antoko AVI izay tantanan’i Norbert Lala Ratsirahonana izay tena akaikin’i Andry Rajoelina tokoa izany. Maro ihany koa no mahalala tsara fa anisan’ireo tena nankahala ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny pastera Ramino Paul, na dia tsy mbola nilaza izany mivantana mihitsy aza. Eo koa Razafindramanitra Nestor, mpitandrina, mpikambana ao amin’ny «Coalition des organisation de la société civile». Filohan’ny Synodam-paritany FJKM Antananarivo Andrefana teo aloha izy, no lasa Aumônier ao ankehitriny no mpanolotsaina ihany koa. Olona azo ambara fa akaiky mba tsy hilazana fa novolavolain-dRamino Paul, ny pastera Razafindramanitra Nestor. Mipetraka ary ny fanontaniana manao hoe : aiza ho aiza ilay «laïcité de l’état» amin’izany rehetra izany ?

Na mijoro na najoro ireo Raiamandreny mikarakara ny Dinika Santatra, dia tsy mba nanana ny heviny mikasika ireo mpitandrina tafiditra lalina amin’ny resaka politika ity mihitsy ve ny fitondrana tetezamita ? Tahaka ny inona anefa ny fanakianana ny fitondrana teo aloha, izay nambara fa mampifangaro ny raharaha politika sy ny fiainan’ny fiangonana. Hoy indrindra ny raim-pianakaviana iray : «natao ihany ny tsy hiteny, saingy tsy maintsy ambara ny zavatra tsy mety e ! Tsy tokony hiditra mivantana amin’ny famahana krizy politika tahaka izao mihitsy ka hilatsaka ho mpanelanelana ny olon’ny fiangonana ; raha manoro hevitra sy mipetraka ho raiamandreny izy ireo dia mety !». Tsy sanatria halako bika tsy tiako tarehy, na fanakianana be fahatany fa tsy vitsy no mahafantatra fa akaikin’izao fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina izao ny mpitandrina Ramino Paul sy Razafindramanitra Nestor, raha tsy hiteny afa tsy ireo, satria misy mompera katolika koa, ka ahoana no hahazoana antoka fa tena tsy momba ny atsy na ny aroa marina izy ireo, ary mipetraka amin’ny toeran’ny Raiamandreny ? Sarotra ny fanapahana, tsy bado koa anefa ny olona fa mahafantatra tsara ny zava-misy ary mahalala ireo mpilomano ao anatin’ny tontolo politika ka tsy mahalala afa tsy ny tombontsoany sy ny an’izay maniraka azy !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT