Edito

Natao ho an'iza ?


  • Alatsinainy 26 Martsa 2012

Mitodika any amin'ny Parlemanta indray manomboka izao ny sain'ny mpanara-baovao satria andrasana fatratra eny ny hahatongavan'ilay volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka.

 Efa nirosoana ny fandikana ilay «mémorandum» avy amin'ny SADC, efa manana ny azy koa ny governemanta ary efa nandinika an'io ilay Komity manokana, na dia tsy mbola nisy aza ny tatitra ofisialy natao. Tena sarotra ho an'i Madagasikara ny hanantena filaminana sy hahazo fanampiana avy any ivelany izany, raha tsy tanteraka ny fampiharana ny tondrozotra, ka tafiditra ao anatin'izany ny fanatanerahana ny famotsoran-keloka faobe sy ny fodian'ireo sesitany.

Eo foana anefa no mampikatso ny raharaha, satria tsy manaiky ary tsy mbola vonona ny hanaiky ny fiverenan'ingahy Ravalomanana an-kalalahana eto ny ankolafy Rajoelina. Mazava be io resaka io na dia tsy nanambara mivantana izany aza ny filohan'ny tetezamita. Ka hanao ahoana ary izany ny tohin'ny tantara ? Ahoana no mety ho fihetsiky ny mpanelanelana tarihan'ny Troikan'ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny ankapobeny ? Misy indray io ny fe-potoana hatramin'ny 31 martsa 2012, ary efa fantatra fa tsy hanaja an'io ny sasany. Dia ahoana ny tohiny ? Tonga dia irosoana ve ny dingana manaraka sa avela any Afrika Atsimo any Atoa Ravalomanana ? Famotsoran-keloka ho an'iza io atao io ? Ireo nanohitra ny FAT mantsy dia toa mbola misy tsaraina sy gadraina ihany hatramin'izao, ary ambara fa nandatsa-dra sy namono olona, koa noho izany tsy mahazo famotsoran-keloka.

Sa ve natao ho an'ireo mpanao politika nisolelaka tamin'i Andry Rajoelina ihany izy io, mba hahafahan'izy ireo manadio dosie sy milatsaka hofidiana ? Ary ny tena mahalasa fisainana dia ny hoe : hanaiky mora foana ny mety ho fanilihana ny filoha teo aloha ve ny mpanohana azy, izay nitolona nandritra ny telo taona, ary tsy te hahalala fa tsy maintsy tonga eto aloha i Dada ? Ho hita eo ny tohiny. Mbola hita soritra ihany hatramin'izao ny fifandirana politika eto ary mibaribary ny tsy mbola fananan'ny ankolafy Rajoelina ny finiavana hametraka marina ny fitoniana eto, fa dia ny fanilihana hatramin'ny farany ireo tsy mitovy hevitra aminy, ihany aloha no laharampahamehana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT