Edito

Natakalo vola ny Tanindrazana


  • Talata 04 Desambra 2012

Tsianjerin’ireo mpitondra tetezamita sasany, indrindra moa fa i Andry Rajoelina sy ireo olona akaiky azy ny hoe : na dia tsy nisy famatsiam-bola avy any ivelany aza, dia nahavita nanorina fotodrafitrasa vaovao isika.

 Marina fa efa ho telo taona sy tapany izao no tsy nahazo famatsiam-bola intsony i Madagasikara ary ireo tetikasa mbola nitohy ka tapitra dia tsy nohavaozina intsony. Marina koa fa tena nanangana fotodrafitrasa ny fitondrana tetezamita, tahaka ny hopitaly, kianja, tsena, nanamboatra lalana sy tetezana. Efa nambara tamin’ny fomba ofisialy ihany koa fa ny vola avy amin’ny orinasa sinoa Wisco mitrandraka vy ao Soalala, izay mitentina 100 tapitrisa dolara no tena ampiasaina amin’ireny asa goavana ireny, eo koa ny 25 tapitrisa dolara avy amin’ny tetikasa Ambatovy. Mbola hanampy izany koa izao ny 25 tapitrisa dolara vola azo tamin’ny famarotana ilay fiaramanidina Air Force One II, ary mbola mety misy ny loharanom-bola hafa tsy voalaza na tsy nampahafantarina ny besinimaro. Eto Madagasikara ihany no misy fitondrana tetezamita maika sy dodona amina tetikasa lavitrezaka, maika hahazo vola tsinona.

Ka izay vahiny milaza ny hanome vola be dia mahazo tany sy afaka manangana orinasa ary mitranga harena ankibon’ny tany sy manondrana izany avy hatrany. Mahita tenenina foana hiarovana ny rambony tsy ho tapaka ireo tompon’andraikitra, dia lazaina fa ho fanasoavana ny vahoaka, hono, no anton’izany rehetra izany. Amin’izy ireo angamba tsy maninona mihitsy ny mivarotra tanindrazana, dia mahazo vola be. Ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 rahateo, izay efa milaza fa azon’ny vahiny atao ny mividy tany eto Madagasikara. Misy antony io matoa nosoratana tao. Fampanofana tany saika natao tamin’ny Koreana Tatsimo anefa no nanenjehana an’i Marc Ravalomanana.

Dia io iaraha-mahita io fa tena nirongatra be ny ady tany tato anatin’izao tetezamita izao, satria maro be ireo mpanambola vahiny sy Malagasy tonga dia mandroaka mponina iray tanàna ary mamaritra tany avy hatrany. Dia mbola misy ihany no mirehareha amin’izany, fa hoe nahavita asa, hono, ilay tetezamita, fa ny trano mora sy ny hopitaly manarapenitra ary ny kianja filanonana angaha hamerina ireo boaderozy sy volamena ary vatosoa sy harena voajanahary maro be, nangalarina sy nopotehana ary naondrana any ivelany ? Afaka 50 taona dia azo antoka fa ny trafikana boaderozy sy ny fampiasana ny miaramila hifehezana ny mpanohitra, ny fanomezana vahana ny mpandraharaha vahiny, ny ady tany no tena hahatadidiavan’ny olona izao tetezamitan-dRajoelina izao.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT