Edito

Nantenain-kanirina …


  • Alarobia 30 Novambra 2016

Ity izany no tonga amin’ilay fitenenana hoe “ny nantenain-kanirina indray no nampivandravandra”.


 Raha nikabary tamin’ny frankofonia ny filoham-pirenena frantsay dia tsy nahalala afa-tsy ny tombontsoany sy ny mpiray tanindrazana aminy. Nanaovany tsindrim-peo mafy ny mikasika ny tokony hanamafisana ny fitandroana ny ain’ireo frantsay monina eto. Maro ireo nanantena fa mba hiresaka ny famerenana ireo nosy manodidina amintsika izy, kinanjo nanantena poakaty teo. Na dia ny niaiky ny helok’ireo frantsay tamin’ny 1947 aza izy dia tsy vitany akory ny niala tsiny tamin’iny. Ny nahafinaritra ny sofina mba nolazainy dia hoe be izahay no voasariky ny zavaboary sy toetr’andro aty aminareo. An-kilany, miteraka resabe hatramin’izao ny fanajan’ireo vahiny ilay fiantso antsika hoe “Malagasy” na dia nikabary tamin’ny teny frantsay aza ny kabarin’izy ireo. Ireo mpitondrantsika indray anefa no nanondrana tamin’ny fampiasana ilay fiantso manadrohadro “malgache”. Efa lasa ireo vahiny vao mitabataba fa tompon’ireo nosy manodidina. Nantenain-kanirina kanjo…

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT