Edito

Nankaiza ny tanteliko teto ?


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2019

Tsy hisy handany andro hamorona tantara eto ka hamadika ny fotsy ho mainty; fa rehefa mety dia ambara fa mety, rehefa tsy mety dia tsorina fa tsy mety.

 

 

Nafotaka ny fanomezan-toky nandritra ny propagandy fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018.Tsy takona afenina fa mafy tamin’ny seho amam-pihetsika ny kandida laharana faha-13 izay nandrombaka ny fandresena ka filoham-pirenena amin’izao fotoana.Andry Rajoelina hatreto aloha no fantatra fa nandany vola be indrindra tamin’ny fampielezan-kevitra tamin’ny tantaran’ny fifidianana teto Madagasikara.Tohiny lojika any an-tsain’ny olona ny hoe handeha mafy tokoa ilay “TGV” rehefa mahazo fahefana eo.Dila izay ny enim-bolana, kisehoseho sy sary ihany anefa no hita fa ny ankoatr’izay mijanona ho fanantenana.Tsy hita popoka ireo mpiara-miombon’antoka sy hoe mpamatsy vola nambara fa efa vonona herintaona lasa izay.Resabe sy adihevitra etsy sy eroa ny Tanamasoandro, lasa fanalan’andro ny building sy Miami ary Paris ary efa nahavitan’ny olona blagy isan-karazany.Nankaiza ny tanteliko teto ooo, lanin’ny vitsika ooo..hoy ilay tsianjery malaza…Sao sanatria izany tokoa aza no zava-misy e ? Nivadika mangidy ny mamy, tsy mety miposaka ilay masoandro.Efa voaomana tokoa ve ny tetikasam-pampandrosoana sa mba kabary natao hambaboana ny fon’ny olona fotsiny ireny ? Eny e, mbola misy efa-taona sy tapany moa ka asa izay ho tohiny.Saingy raha izao fandehany izao aloha mampametra-panontaniana ihany hoe resak’olon-dehibe ve no atao eto sa kilalaon-jaza manao tsianjery ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT