Tsy milamina ny tany ! Izay no azo hamintinana ny zava-misy eto an-drenivohitra, izay azo itarafana tsara mihitsy ny mbola fisian’ny krizy eto amin’ny firenena.
Ny zavatra hita tato anatin’ny roa taona izao, dia mifandimby ny fitakiana sy ny fitokonana. Tsy misy ny tena vahaolana mahomby sy maharitra, fa famonoana afo no tena betsaka. Tetezamita rahateo moa izao ka izay foana no fialana bala avy amin’ny manampahefana. Niakatra ambonimbony kokoa ny maripana teo amin’ny grevin’ny mpianatra omaly satria efa nitatra hatrany amin’ny fanimban-javatra teny amin’ny sekoly katolika, Institution Sainte Famille Mahamasina izany. Tsy maintsy niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana, izay vao nilamina ny raharaha. Nanamafy ny talen’ity sekoly ity fa betsaka ny zavatra simba noho ny tora-bato nataon’ireo mpianatra nidina an-dalambe.
Mihazakazaka be, araka izany, ny toe-draharaha. Tsy nahomby ilay paikadin’ny minisitry ny fampianarana, fa toa vao miha aza nitombo ny sekoly nikatona, ary tena maro be ireo mpampianatra nitokona teny Anosy, dia tsy maintsy niditra an-tsehatra indray ny filohan’ny tetezamita ! Ny olona rahateo moa tsy te hahalala fa dia izy no tompon’andraikitra voalohany eto, ka rehefa tsy mahavita ny olona eo ambany fahefany dia tsy maintsy miakatra any aminy ihany ny fikarohana vahaolana. Ny mampanahy anefa dia sao mijanona ho resaka sy fanasana atidoha fotsiny izy ity fa tsy hisy akory ny tena marimaritra iraisana amin’ny famahana ilay krizy. Tsaroana mantsy fa efa mba nihaona sy niresaka amin’ny filohan’ny tetezamita teny Ambohitsorohitra ihany koa ry zareo mpitsara sy mpampianatra mikaroka eny amin’ny oniversite, saingy hatramin’izao tsy mbola mivaha tanteraka ihany ny olana fa manambana ny hitokona isaky ny mihetsika izy ireo.
Anatina vanim-potoana tena sarotra isika ankehitriny satria, efa lasa fahazarana ilay fitakiana sy fitokonana ka samy mba te hahazo ny anjarany ny sehatr’asa tsirairay avy. Ny resaka etsy sy eroa dia tsotra : nampanantena fanovana i Andry Rajoelina, ary nilaza fa hahavita tsara kokoa, noho ny teo aloha ary tsy misalasala ny olona mitaky. Izay no hahafahana manambara fa diso paikady tamin’ireo kabary nataony teny an-kianja ingahy Rajoelina satria noraisin’ny olona ara-bakiteny izy ireny. Dia izao sahirana isan’andro mamono afo amin’ny fitakiana izao, no hiafarany.
Tsy sanatria maniry loza, fa raha toa aza ka atao hoe mivaha io olan’ny SEMPAMA io, dia ho avy indray ny manaraka, ny sehatry ny asam-panjakana ihany no resahana eto, dia tsy mety vita ny fandaminana, dia tsy mahavita azy indray ny minisitra, dia hiakatra eny Ambohitsorohitra indray ny raharaha, dia izay foana ve no iainana eto e ? Averina eto ihany fa mora ny mandrodana fa tena sarotra ny manarina sy manorina, indrindra moa fa rehefa nampidirana zavatra hafahafa any amin’ny toe-tsain’ny olona, tahaka ny hoe : zontsika ny maneho hevitra, ny vahoaka no tompon’ny teny farany, tsy misy tafika maharesy vahoaka, ny vahoaka no nampindrana ny fahefana ka azony alaina izay rehefa hitany fa tsy mahavita azy ny mitondra. Izany no kabary fanasana atidoha niverimberina tamin’ireny 2009 dia izao nahazo lesona izao ny vahoaka e ! Moa va tsy naniry zaza, ka tera-dahy ingahy Andry Rajoelina ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.