Edito

Nangoabelaky


  • Alarobia 28 Oktobra 2015

Misy fitenin-jatovo avy any amin’ny tapany atsimon’ny nosy iny manao hoe « Mangoabelaky » na vasoka ho an’ny aty afovoan-tany.

 

Tonga ato an-tsaina ankehitriny io teny io satria dia izany mihitsy no zava-miseho sy mihatra amin’ireo havantsika iharan’ny kere na ny tsy fahampian-tsakafo sy tsy  fahampian-drano any amin’iny faritra Androy sy Anosy iny. Tsy azoazon’ny  tompon’andraiki-panjakana  maro  io teny hoe kere io kanefa dia izay aloha ny zava-misy. Tsy sary foronina toy ny fahitan’ny praiminisitra azy io na lainga araka ny resak’ilay ramatoa solombavambahoaka iray mpiaro fatratra ny fitondrana. Asa  izay  mety ho fihetsiny raha mahalala izy fa ity  filoham-pirenena  lazainy  miasa mafy ho an’ny vahoaka  ity anie  ka migalabona  tsara amin’ny  hotely  lehibe  any parisy, miaraka amin’ny vady aman-janany sy ireo mpiara-miasa akaiky azy e ! Na volany manokana na volam-panjakana no laniny amin’izany dia  mipetraka hatrany ny fanotaniana  hoe : tokony ho fotoana hanaovan’ny  filoham-pirenena fiainana sy fandanina ve aloha  izao fotoana hisian’ny mpiray tanindrazana  aminy maty tsy mihinan-kanina izao ?

Rabri  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT