Nandrasan’ny maro fatratra ny fanehoan-kevitr’i Andry Rajoelina omaly tolakandro. Isan-karazany mihitsy ny vina sy tombana.
Nisy nilaza hatramin’ny hoe hametra-pialana ny filohan’ny tetezamita ka hamindra ny fahefana amin’ny miaramila. Voatonona fa mety handray izany fahefana izany moa ny Jeneraly Rakotoarimasy André Lucien, minisitry ny fiarovana. Tao koa ny nihevitra fa mety hilaza ny fepetra ho raisiny momba ireo minisitra tsy mety mivory Atoa Rajoelina. Nisy koa ny nandroso fa mety hilaza ny fanekeny ny fodian’i Marc Ravalomanana ny filohan’ny tetezamita. Samy voaresaka tao moa ireo lohahevitra ireo. Tsy hiala i Andry Rajoelina, ary nilaza fa afaka ifampidinihana ny momba ny fodian’ny filoha teo aloha, saingy izay mety sy mahasoa ny firenena ihany no tanterahina.
Ny omaly tsy niova kosa ny fomba fijerin’ny filohan’ny tetezamita momba ny mpanohitra sy ny fanehoan-kevitra an-dalambe. Tsy nanaiky izany izy tany am-boalohany ary tsy hanaiky izany mihitsy raha ny fandrenesana ny fomba firesany. Koa dia ho henjana kokoa izany manomboka izao ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana ho an’ireo rehetra midina an-dalambe, na mitokona sy mivorivory etsy sy eroa. Hita ho maika amin’ny hanatanterahana fifidianana amin’ity taona ity ihany koa i Andry Rajoelina ary miha mazava hatrany izao, fa ho kandida ny tenany ary araka ny teniny hatramin’izay moa dia matoky tena fa ho lany matoa milatsaka ho fidiana izy. Ireo karazana sendika manao fitakiana etsy sy eroa kosa dia mazava ny valin-kafatra : tsy mandritra ny tetezamita no hahazoan’izy ireo fahafaham-po ka mba tokony samy hahatsapa tena ny tsirairay, hoy ny filohan’ny tetezamita fa tsy hanao takalon’aina ny vahoaka foana.
Ka inona moa izany fa tsy dia miha henjana ihany ny fifanandrinana misy eto, satria anio ihany dia efa hisy ny ho eny amin’ny kianjan’Ambohijatovo, hitombo ihany koa ireo sendika mitokona, ary misimisy ihany ny fivoriana miaramila etsy sy eroa, tato ho ato izay. Tena mihenjan-droa ny tady, izay mivoaka afaka mivoaka hoy i Andry Rajoelina, fa ny asa tsy maintsy mitohy. Atahorana arak’izany ny hampirehatra ny afon’ny fifanandrinana eto. Ireo sendika sy fikambanana isan-karazany dia tsikaritra fa manomboka mampitovy ny tadin-dokangan’izy ireo, maro no efa manombatombana fa hisy vovonana goavana be iray, atsy ho atsy ivondronan’ny mpanohitra ny ankolafy Rajoelina, ka rehefa tsy mety intsony ny fifampiresahana dia mety hiroso any amin’ny fandrodanana ny tetezamita mihitsy izy ireo. Ka dia veloma mandram-pihaona indray aloha ny hoe fifidianana amin’ity taona ity, raha toa ka izay no mitranga. Tsy nandamina sy nampitony ny toe-draharaha, fa toa vao mainka aza nampirehatra afo indray i Andry Rajoelina tamin’ilay fanambarany omaly, hoy ireo mpanara-baovao, nanantena tenina filoham-panjakana mijoro ho tena raiamandrenin’ny Malagasy rehetra. Tena mibaribary izao, hoy izy ireo fa tsy manana vahaolana handaminana ireo fitakiana etsy sy eroa ny fitondrana tetezamita, ka asa ihany izay hiafaran’ity raharaha ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.