Edito

Nampangain’ny teniny sahady


  • Alakamisy 02 Novambra 2017

Fandresena ara-demokratika ny fifidianana ary tsy tokony hatahotra intsony isika Malagasy.

Hiaraka ao anatin’ny fo tony isika mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana mba hisian’ny fitoniana. Ampahan’ny lahatenin’i Rivo Rakotovao afak’omaly ireo taorian’ny nahalaniany ho filohan’ny antenimierandoholona tamin’ny isam-bato 52/55. Toa nijabaka sahady izy tamin’ny lahateniny ary manomboka voaporofo hatrany ny antony nametrahana azy amin’io toerany io dia ny handamina sy handrindra izay fomba hibatan’ny HVM fandresena amin’ny fifidianana. Maro ny raharaha mafampana eto amin’ny firenena, toy ny pesta, ny fidangan’ny fidim-bary … fa ny kajy amin’ny fifidianana no mahamaika. Efa manomboka sahady ny fampandriana adrisa sy fampanekena an-kolaka ny vahoaka ho tony sy hifitsaka manoloana izay mety hevi-petsy hafitsoky ny fitondrana. Miha mafana hatrany ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ary mitana ny sain’ny maro ny fanendrena azy amina andrim-panjakana stratejika. Tsy vaovao amin’ny rehetra ny antsojay sy ny ramatahora ataon’ny HVM, anisan’ny malaza i Rivo Rakotovao. Nahazo    fahefana ambony amin’ny maha filohana andrim-panjakana indray izy izao ka asa na hanao ahoana ny resaka fisotasotana atao amin’ny mpanao politika na antoko tsy mitovy hevitra amin’ny HVM ? Antomotra rahateo ny fifidianana ka mety ho sesilany ny kongresin’Antoko ato ho ato, anisany ny HVM. Ireo hafa kosa ve mba mety havelan-dry Rivo Rakotovao be voninahitra mangirana sa dia ho toy ireny tamin’ny fanamarihana ny faha-15 taonan’ny Antoko Tiako I Madagasikara ireny hatrany ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT