Edito

Namono biby tsy nahafaty


  • Talata 27 Aprily 2010


Mbola hidongy indray ve sa mba hijoro amin’ny maha olon-dehibe azy i Andry Rajoelina ka handinika tsara ny fanapahan-kevitra horaisiny sy ny sonia horaiketiny amin’ny taratasy ? Io izao no manitikitika ny sain’ny mpanara-baovao amin’izao fotoana. Efa zary lasa lamaody sy fomba amam-panaon’ny filohan’ny HAT mantsy ny fivadibadihan-dela. Ho loza anefa raha sanatria ka mbola hanao io fomba ratsiny io i Andry Rajoelina, satria tsy hisy intsony firenena na fikambanana avy any ivelany hanaiky hiara-hiasa aminy, izany hoe hamela tanteraka an’i Madagasikara ho irery, ao anatin’ny fahasahiranana mandifotr’olona. Maro no mieritreritra fa namono biby tsy nahafaty ka nifoteran’ny rambony Rajoelina sy ny ekipany. Tsy afaka ny hanindry bokotra intsony izy ireo mandritra ity fihaonana any Pretoria ity ka nilaza fa nisy tolom-bahoaka teto, na koa hoe nitaky ny fanovana ny vahoaka, na koa ilay hoe nafahanay tamin’ny jadona ny firenena, sy ilay hoe nametraka ny demokrasia sy ny fahafahana maneho hevitra tena izy izahay. Satria dia ny mifanohitra amin’ireo rehetra ireo no nitranga, kivy tamin’ny fampanantenana sy toky fitaka nataon’i Andry Rajoelina ny olona, ary misy mihitsy aza ireo nanenina nanohana ny tolona teny amin’ny 13 mey.

Midika izany rehetra izany fa tsy hahazo tombony manokana araka ny nofinofiny hatrizay ny ankolafy Rajoelina amin’ireo rafitra rehetra ao anatin’ny tetezamita. Raha ny fahitana azy dia ho saribakoly eny Ambohitsorohitra fotsiny sisa ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina fa ireo ankolafy hafa no hahazo vahana amin’ny fitantanana ny tetezamita. Na dia nofoanana aza ny toeran’ireo filoha mpiara-mitantana roa dia hisy rafitra iray vaovao hanara-maso ny asan’ny filohan’ny tetezamita sy ny governemanta. Vita hatreo izany aloha ny fanjakan’ankolafy tokana tahaka ny nitranga tato anatin’ny herintaona sy roa volana. Azo antoka fa hamerina ny heriny tsikelikely ary hanomana tsimoramora ny fifidianana ireo ankolafy telo hafa, indrindra fa ny ankolafy Ravalomanana, izay manomboka manana ny tanjany indray amin’izao fotoana. Aleo anefa tsy misioka raha tsy tafavoaka ny ala. Mahatakatra tsara io fehezanteny io, angamba amin’izao fotoana Rajoelina sy ny tariny izay, velon-kira tamin’iny lalana iny fony izy ireo naka ny fahefana.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT