Edito

Namato-tena


  • Talata 14 Septambra 2010

Tsy misy resaka afa tsy ny fihaonambem-pirenena tanterahina eny Ivato no mibahana amin’ny fampahalalam-baovao eto an-drenivohitra nanomboka omaly. Betsaka ny resaka ambara mikasika azy io.

Ny lazaina ombieny dia ny hoe diniky ny samy Malagasy io, hitadiavana vahaolana hivoahana amin’ny krizy. Mety ho izay tokoa angamba. Fa raha mandinika sy mamakafaka ny hazakazaka arahin-tosika amin’ny fanatanterahana azy indray anefa ianao dia hahatsapa fa may volontratra ny FAT. Raha manao tamberina fohy isika dia nisy ny fanapahan-kevitra ankamehana noraisin’ny FAT rehefa nidongy tsy nanao ny Maputo III i Andry Rajoelina sy ny Ankolafy tarihiny tamin’ny fiandohan’ny volana desambra 2009, ka namoahany ilay didy hitsivolana laharana 2009-012 ny 18 desambra 2009, mandamina ny rafitry ny tetezamita. Nambara mihitsy aza fa io didy hitsivolana io no lalampanorenan’ny tetezamita manafoana ny didy hitsivolana 2009-009 tamin’ny 08 septambra 2009 mankato ny Satan’ny tetezamita nosoniavina tany Maputo ny 09 aogositra 2009. Maromaro ny resaka voakasika ao, fa ny hotsongaina eto dia ny fe-potoana 12 volana nofaritana tamin’io fa haharetan’ny tetezamita.

Ho tapitra ihany anefa io fe-potoana io saingy tsy misy tanteraka ireo rafitra nofaritana tao. Tsy raikitra ny Antenimieram-panorenana na “Assemblée Contituante”, tsy teraka akory dia nanjavona ny filankevitry ny tetezamita. Ny CENI no nenjehina natao kimaimaika tao. May volontratra ny FAT, ny marina dia mahatsiaro ho namato-tena tamin’io didy hitsivolana io, ka dia manao izao karazana dinika rehetra izao hamahana indray ny tady, hahazoana mitsotsotra manalava fotoana, hijanonana ela eo amin’ny fitondrana fa mamy ny seza, ny tombontsoa manaraka ho azy. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT