Edito

Namana hafa kely !


  • Talata 09 Novambra 2010


Tsy nionona tamin’ny asa ao an-dapa intsony i Andry Rajoelina fa nirotsaka an-tsehatra mivantana mihitsy amin’ny fampielezan-kevitra, amin’izao 9 andro mialohan’ny fitsapan-kevi-bahoaka izao. Efa mba niezaka ihany mantsy ireo minisitra, sy mpiasam-panjakana maro samihafa any amin’ny faritra saingy hita ho mbola tsy ampy tosika izany mihitsy ilay fampielezan-kevitra , hanentanana ny olona hifidy ny Eny amin’ny 17 novambra. Tsy mionona amin’ny fampahafantarana ny votoatin’ilay volavolan-dalampanorenana fotsiny ny filohan’ny FAT amin’ny fitetezam-paritra ataony fa dia nanome toky sy manao fampanantenana maro izay manoloana azy ary manohy ny propagandy efa natombony tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny lapan’ny kolotsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny sabotsy 6 novambra lasa teo.

 Omena tany hahafahana mamboly hono ny tanora, no sady hanamboarana trano mora ihany koa. Nahazo ny anjarany ihany koa mba handresena lahatra azy hanaiky ny fifidianana amin’ny 20 desambra ireo ben’ny tanàna, koa dia hamoaka vola 9 miliara ariary tampotampoka teo ny fitondrana tetezamita hanohanana ny kaominina manerana ny nosy amin’ny asa ataony, azo antoka fa hampizara ny ben’ny tanàna manerana ny nosy io tetika io , ary hanalefaka ny hetsika tarihan’i Guy Maxime Ralaiseheno . Santionany fotsiny ireo fa mbola marobe ireo fampanantenana natao’i Andry Rajoelina tany amin’ny toerana rehetra nolalovany, ary mba hialàna amin’ny fanakianana mety hitranga any aoriana moa dia efa nilaza izy fa tsy ho vita mandritra ny tetezamita avokoa ireo asa ireo, izany hoe raha vita dia izaho, fa raha tsy vita dia ry zalahy ! Mazava ny tenin’i Andry Rajoelina tany Marovoay omaly :” tsy amin’ny maha filohan’ny tetezamita ahy no hahatongavako eto, fa amin’ny maha mpinamana antsika , ary izany mpinamana izany dia mifanampy sy mifanohana ..”. Niavaka kosa anefa tamin’ireo olona mitety faritra mitsidika ny fianakaviany na ny tapaka sy namana izy, satria nalefa mivantana tamin’ny haino amanjerim-panjakana ny kabariny.

Ary rehefa narahana akaiky ny lahateny dia nirona tsimoramora tany amin’ny propagandy ny resaka , noresena lahatra ireo namana mba ho avy maro be ary hifidy amin’ny 17 novambra. Tsy niteny kosa aloha ny filohan’ny FAT hoe fidio ny Eny e ! saingy efa filazana izany an-kolaka ihany no nataony. Nanadio tena no sady namono afo mikasika ilay andininy momba ny fivarotana tany ihany koa ny filohan’ny FAT ka nilaza fa efa mivoatra ny toetr’andro amin’izao fotoana ka izay no antony nametrahana ilay hoe ny lalàna no mametra ny fivarotana na fampanofana tany amin’ny vahiny. Ny olon-tsotra , indrindra fa ny any ambanivohitra no mety ho voafitaka amin’io, saingy ho an’ireo mpahay lalàna dia mazava ny resaka fa fivarotana tanindrazana io. Azo antoka fa hitety faritra faran’izany betsaka hatramin’ny 16 novambra ho avy izao ny filohan’ny FAT ary hamerina io nambarany tamin’ny mponin’i Marovoay io , dia hanampy kely fotsiny fa tena mety amin’ny Malagasy io lalampanorenana io ary tena hampandroso ny firenena sy hanatsara ny fiainanan’ny isan-tokantrano. Iaraha-mahita izao anefa fa tsy hamaha velively ny krizy ny fanaovana io fifidianana amin’ny 17 novambra io, ary vao miha hampisara-bazana ny Malagasy. Mamporisika ny olona handeha hifidy ihany anefa i Rajoelina sy ny mpanara-dia azy. Koa mipetraka ihany ny fanontaniana eto manao hoe : izany ve no tena namana, mitarika ny olona hiditra amin’ny kizo sy ny fifandrafiana ?

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT