Namaly ny lehiben’ny

distrikan’Arivonimamo «Nanao ny asako foana aho na


  • Alakamisy 18 Septambra 2025

depiote mpanohitra na mpanohana no teo !»

Naneho ny Lehiben’ny distrikan’Arivonimamo omaly izay tonga iaraka tamin’ireo Emmo-reg tao Imeritsiatosika amin’ny maha Lehiben’ny OMC (Organe Mixte de Conception) sady manam-pahefana sivily misolo tena ny Fanjakana fa tsy nahazo alalana ny fihetsiketsehana saika hatao tao amin’ny toerana manokana ka tsy maintsy rarana. Isan’ny anton’ny fihetsiketsehana moa ny fitakiana ny fanesorana azy ka asa hoe : raha nisy fangatahana tokoa ve niantefa taminy dia hahazo fankatoavana ? Taiza sy oviana ihany koa teto nisy fihetsiketsehana mahakasika ny zorondamban’ny Fanjakana ka nahazo alalana. Na izany aza, nahitsy izy naneho, fa voatendry tamin’ny filankevitry ny minisitra ka rehefa notendrena, dia efa miandry ihany koa ny fanesorana amin’ny maha mpiasam-panjakana notendrena. Lazaina fa sakana amin’ny fampandrosoana, lazaina fa misakana ny CIAD izay tetibolan’ny Fanjakana foibe izay hanampiana ny distrika. « Izaho solotenam-panjakana dia ahoana no hanakanako ny vola avy amin’ny Fanjakana foibe hanampiana ny distrika », hoy ny valy bontan’ity olom-panjakana ity. Nomarihiny, fa misy dingana tokony harahina, saingy mbola misy « procédure » tokony harahina ary ny CIAD amin’izao dia amin’ny 31 desambra 2025. Amin’izao manerana an’i Madagasikara, CIAD 2023 avokoa no mandeha, ary misy kelikely ho an’ny 2024, fa raha ny ao amin’ny Distrikan’Arivonimamo, dia mbola amin’ny CIAD 2023 aza mbola hanaovana antso tolo-bidy. Nilaza ity farany ity, fa nanaraka ny lalàna sy ny « procédures » misy. Misy ny « programme d’emploi » efa nalefan-dry zareo, nisy « fiche de présence », fa tsy nisy ny fitanana an-tsoratra na PV. Ny zoma no efa nosoniavina ny « programme d’emploi » rehefa mafampana ny resaka fitakiana, tokony hamboarina satria nolavin’ny « contrôle financier », raha ny fanazavany hatrany. Milaza ity farany, fa taloha ny hoe tsy maintsy izy no mampiantso fivoriana ho an’ireo olom-boafidy eny ifotony, fa amin’izao tsy izao intsony fa ny ben’ny tanàna sy ny depiote no mifamory. Notenenina fa hanesorana ny 2% fampandehanan-drahdraha sy ny TMP (Taxe sur le Marché Public) ka tsy mety sy nasaina naverina. Miandry ny fanatanterahana an’izay dia mandeha, hoy io lehiben’ny distrika io izay nanipika fa tsy avy aminy ny sakana. «5 taona no niarahana teto, nisy depiote mpanohitra teo, nisy mpomba ny Fanjakana, fa nivoaka foana ny CIAD. Raha tsy nanao ny asako aho tsy nivoaka io, fa nanao ny asako ara-dalàna foana aho na depiote iza no teo na iza », hoy i Rojo Razafindralambo. Naneho firaisankina sy miantso fampitsaharana ny heverin’izy ireo fa fanenjehana tsy mitombina an’ity lehiben’ny distrika ity moa ny Sendikan’ny Admnistratera sivily na ny SYNA. Asa hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT