Edito

Naloan’ny vahoaka


  • Alatsinainy 10 Jolay 2017

Mai-molotra tsy mahita ambara ny fanjakana nanoloana ny fanotronan’ny vahoaka an’aliny ny hetsiky ny Antoko Tiako I Madagasikara ny faran’ny herinandro teo.

Raha nihevitra fa ho kivy ny vahoaka noho ny sakana natao sy fanentanana ary fanatsatsoana, dia tsy izay no niseho, ka ny fanjakana jadona efa naman’ny naloan’ny vahoaka indray no afa-baraka. Taiza teto ambonin’ny tany no mbola nisy an’izany hoe ny mpitandro ny filaminana no nirahina hanentana vahoaka tsy hamaly ny antson’ny antoko politika hanamarika ny tsingerin-taona niorenany ? Fanjakana efa lany henatra saingy miantehitra amin’ny herim-pamoretana sisa. Raha azo natao angamba no nizara vola isam-pokontany tamin’ny olona hoe aza manotrona ny TIM efa nataony. Mbola hinia hanao herim-bomanga sy hanao loham-boto sy hampihatra ny kajy maloto fanao ihany ve ka hanangam-pahavalo ny vahoaka Malagasy hitia sy hanohana ny olona efa naloany ? Efa mizara vola tsy toko tsy forohana hameno kianja aza efa lahoana, ka nahoana moa no tsy hialona ny hafa izay tsy mila manao izany akory fa ny vahoaka aza no mitady azy ? Misy fetra ny zava-drehetra satria raha mitohy ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra, hoy ny fitenenana. Fotoana sisa andrasana dia hidaboka ny fanjakana jadona.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT