Nakisaka lavitra ny feon’ny fieritreretana !

Betsaka izay resaka sy fampanantenana natao teto izay,


  • Alakamisy 30 Janoary 2025

betsaka ireo aingam-panahy maniditsidin’ny mpitondra, maro ireo zavatra notanisaina nolazaina fa hatao,…

Indrisy anefa, fa ny omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra, miha rendrika ao anaty fahantrana ny Firenena. Fanilihana ny tsy fahombiazana amin’ny hafa, filazana ireo tsy mitovy hevitra ho misakana ny fampandrosoana, fitadiavana fampanantenana na famoronana toe-javatra hanodinkodinana saim-bahoaka,… sisa no fomba fiasa eto ankoatra ny fitanisana vahaolana ambony latabatra efa zary miverimberina sy zary efa hain’ny olona tsianjery saingy tsy misy vokany. Lasa mpanome lesona ny hafa ny mpitondra Malagasy rehefa mahazo « micro » any amin’ny pilopitran’ireo fivoriana sy fihaonana iraisam-pirenena samihafa, kanefa ny zava-misy mitranga eto Madagasikara sanatrian’ny vava toa efa mitady haka endrika afobe. Asa mba tsapan’ny mpitondra ve ny fahoriana maro lafy iainan’ny ankamaroan’ny Malagasy ? Tsy finiavana hamendrofendro fa tena fahoriana, fijaliana, fahantrana,… Mbola manan-jo hitanisa ny mpitantana tany aloha na hanilika ny tsy fahombiazana any amin’ny mpanohitra ve eo anatrehan’izao fanaovana ampihimamba sy be fandraoka ny fahefana izao ? Mbola fotoanan’ny fampanatenana ve izao hoe : « calme » fa tsy ataoko mahantra intsony ianareo ? Amin’ny fomba ahoana ? Tsy mampino ny hisian’ny fahagagana ! Ahiana ho vao mainka aza loza fa toa any amin’ny fiarovan-tseza sy fahefana no handaniana rondoha fa tsy izay hahasoa ny vahoaka sy ny Firenena. Efa tena miha mivaona andro aman’alina satria manomboka makamaka endrika firenena anjakan’ny jadona sy mirona amin’ny fampanjakana loko sy hevitra tokana i Madagasikara fa ny mifanohitra amin’izay dia fanakorontanana, hany ka ny hery sy fahefana, ny basy, ny vola,… no miasa sy ampitenenina fa ny feon’ny fieritreretana toa efa nakisaka lavitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT