Mbola miteraka resabe hatramin’izao ilay kabary miendrika fanakianana mivantana ny governemanta Vital nataon’ny filohan’ny Kongresy, Raharinaivo Andrianatoandro ny alatsinainy maraina teo.
Re fa dia maro tamin’ireo olona ambony no sosotra tamin’izy iny ary nisy mihitsy aza ny namoaka vava fa tsy haharitra ela eny Tsimbazaza ingahy Raharinaivo. Ny mahakasika ny andramena no hita fa tena nampiakatra ny tambavin’ity filohan’ny Kongresy ity satria nisy mpikambana iray ao amin’ny Kongresy nadoboka am-ponja. Samy mahafantatra tsara anefa ny rehetra fa tsy Atoa Ezekiela velively no atidoha nikotrika ny trafikana andramena eto Madagasikara.
Na dia nisy aza ireo sarin’olona efatra navoaka an-gazety dia tsy maharesy lahatra ny maro fa ireny no tena tompon’ny ketrika. Araka ny fantatra dia mikatso ny fanadihadiana satria midona amin’ny ridrim-be, izany hoe olona matanjaka no tafiditra ao anatin’ity trafikana andramena ity eto ka misalasala na matahotra tsotra izao ireo mpanao fanadihadiana ny hamoaka ireo anarana sy hisambotra ireo olona ireo. Efa nisy karazany maro ihany ny raharaha nitranga teto, ary ny hita dia ao anatin’ny iray volana raha ela indrindra dia mampiantso mpanao gazety ny Emmo Reg na ny DST na ny FIS mampiseho ireo jiolahy vosambotra na voatifitra miaraka amin’ny fitaovana rehetra nampiasainy.
Efa ho roa taona anefa izao no nihazakazaka ity fanondranana an-tsokosoko ity kanefa dia tsy mbola fantatra mazava ny tena marina fa na ny mpikapa hazo, na ny mpitatitra na ireo mpanera sy mikarakara taratasy no voasambotra fa tsy misy filazana na dia fehezanteny iray monja aza momba ireo atidoha. Efa fantatra ihany koa fa aondrana any Chine, Malaisie sy Singapour ireo hazo sarobidy ireo ary mandalo ao amin’ny nosy Maorisy sy Kaomoro. Amin’iny ilany atsinanan’ny Nosy iny moa no miainga ireo sambo mitondra ny entana. Tena mahagaga sy mahatalanjona anefa fa tsy misy ny fepetra hentitra raisin’ny FAT fa dia mbola mandeha foana ny trafika. Ny hany azo hanazavana azy dia mahasahy maty ireo mpanao azy satria misy mpiaro matanjaka ary mahazo vola be. Amin’ny vaovao mivoaka amin’ny Internet dia misy olona ambony ao amin’ny FAT tafiditra ao anatin’ity trafikana hazo sarobidy ity. Ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no ho azo raisina ofisialy sy mitombina. Na izany aza dia tena manaratsy endrika ny fitondrana tetezamita sy ny firenena Malagasy ity raharaha maizina ity ary misarika ireo mpandraharaha vahiny sy teratany havanana amin’ny resaka varo-maizina sy ny asa ratsy. Tokony hanaitra ny Bianco sy ny fitsarana ihany ka hanokafana fanadihadiana ny filiban’ireo olon’ny fitondrana tetezamita izay hita fa tena manam-bola mihoatra lavitra noho ny karama raisiny isam-bolana. Nahoana no tsy mihetsika ny fitsarana sy ny polisy na ny zandary fa mandany andro misambotra sy managadra ireo irakiraka fotsiny ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.