Edito

Nahita ny tsy fahita 58 taona…


  • Zoma 27 Desambra 2019

Vao nandray ny fitondrana ny fanjakana Rajoelina, dia efa niteraka adihevitra ny fandreseny, izay anisan’ny nanampy azy ny “azo raisina fa tsy mitombina” nataon’ny HCC.

 

 

 

Olona maro no lasa sorona maty nihotsahan'ny tany sy vokatry ny fibosesehana tao Mahamasina. Nanamarika ny fiainam-piarahamonina ny “Bidons jaunes” sy ranom-potaka ary delestazy tsy voavaha mandrak’androany. Minisitry ny angovo noesorina noho ny tsy fahombiazana mbola voatendry ho Tale jeneralin’ny JIRAMA indray. Ny minisitry ny fampianarana ambony irery no nosoloina tao anatin’ny fanovana governemanta voalohany, kanefa vao mainka nitotongana ny minisitera rehefa tonga ny mpisolo toerana toy ny bakalorea niparitaka ny laza adina, sambany nisy “2eme session”, mitokona lavareny ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka,... Mahantra ny mponina izay tantsaha no maro an’isa, miandrandra tosika sy tan-tsoroka kanefa dia kasaina hototofana indray ny tanimbary fivelomany hanaovana ny Tanamasoandron'Ambohitrimanjaka. Taitaitra teo dia hoe : hanao fifidianana lalàmpanorenana tampotampoka eo. Ny lalàna momba ny fanoherana dia atahorana fadiranovana ny olona 1 lazain'ny mpitondra fa "resy lava". Isaky ny misokatra ny vava dia mihantsy ady ny Filoha "zah karateka”, tsy mila olona tahaka izao sy izao hiara-kiasa amiko,... Ny tetibolam-panjakana 2020 mety havoaka amin’ny didy hitsivolana noho ny adin’ny samy andrim-panjakana, izay efa endriky ny krizy. Tsy mbola nisy tao anatin’ny 58 taona ny ankamaroan’ireo.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT