Edito

Nahita! Nisongadina ny faran’ny herinandro teo ny


  • Alatsinainy 24 Jona 2024

fitazanan’ireo mpikamban’ny governemanta sy ny filoham-pirenena teny

ambony teny ny zava-misy ety ambany ety tamin’ny alalan’ny fitaterana an-tariby. Talohan’izay moa dia nisy ny fitetezam-paritra nataon’andriamatoa filoha nanerana ny nosy ihany koa. Andeha izany tsy ho antsoina hoe propagandy araka ny fanizingizinany azy tokoa moa izany fa andeha atao tokoa hoe fitetezam-paritra sendra mba nifanojo tanteraka tamin’ireo fotoana manontolo natokana hanaovana propagandy. Na ny fahoriam-bahoaka manontolo na ny santionany aloha izany no hitan’ny filoham-pirenena sy ireo mpikamban’ny governemanta ireo tao anatin’izany heverina hoe fidinana an-kianja na fidinana ifotony nataon’izy ireo izany dia tsy azony lavina ny hoe nahita izy ireo. Nahita! Nahita ny loton’Antananarivo, ny fako misavovona, ny fikorontanan’ny tsena sy ny fanorenana misy rehetra iny, hoy ny fomba fiteny ankehitriny izay. Inoana fa tena hitan’izy ireo akaiky izany fahasahinana natao ho taratra fotsiny ivelany izany aloha, fara faha keliny. Mety mbola tsy hitan’izy ireo ary mety tsy ho hitany mihitsy, mandra-pialany fanindroany teo, hoe ireo malagasy mipetraka amina tangoron-trano tazany teny ambony teny ireo anie ka misy rano mangotraka no ao am-bilaniny ao rehefa atoandro mba hamitahan’ilay ankohonana kankana na koa hoe isorohana hanohanana rehefa tonga iny tolakandro iny. Io malagasy io anie ka misy tsy misakafo raha tsy in-dray mandeha isan’andro. Ny sasany mitsinjoka zoridira, hoy ny fomba filaza azy tamin’ny andron’ny fitondrana Ratsiraka izay. Mbola izany hatrany izao no zava-misy ara-tsosialy eto amin’ity Madagasikara ity. Mampahatsiahy ny nambaran’ny fiarahamonim-pirenena iray vao haingana izay hoe tamin’ny andron’ny Coupole no nisy an’izany herinaratra tapaka anaty andro fifidianana izany fa niverina izy izao. Resaka politika indray moa izay. Inoana fa nahita ny endrika fihemorana iray tamin’ny lafiny ara-tsosialy indray, araka izany, ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny fampiasany izay heveriny ho fandrosoana teny ambonin’Antananarivo teny. Heverintsika ho fandrosoana moa izany na dia efa nisy tany Eoropa talohan’ny taona 1900 aza!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT