Edito

Nahazo volon-tany ?


  • Alakamisy 29 Septambra 2016

Tsy nipoitra teny amin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahazoam-baovao ny mpitondra fanjakana na roa andro aza no nankalazana azy io tetsy Antanimena

. Fantany ny nataony. Ny fahafahana teto amintsika dia nogejainy hatrany ary tsy vao izao io fa efa tarazon’ny sivana tany amin’ny fanjanahantany. Na ny fampitam-baovao mikasika ilay hetsika fankalazana aza nangina. Fampitana sy fahazoam-baovao no foto-dresaka kanefa dia tonga amin’ilay fitenin’ny mpanaraby hoe “bla bla bla” e ! Resaka fotsiny no betsaka fa ny ventiny tsy misy mitobaka. Nisy ny mpanao gazety tonga naka vaovao teny an-toerana mba te hamantatra ny fahitan’ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny fanabeazana sy ny kolontsaina ary ny vakoka (UNESCO) ny tontolon’ny serasera eto amintsika saingy tsy nisy izay tsy nilaza ho sahirana naka vaovao teny an-toerana. Na ny olon’io fikambanana iraisam-pirenena io aza ve dia efa nahazo volon-tany amin’ny resaka fampitam-baovao eto amintsika ? Sa ny mpiara-miasa malagasy amin’izy ireo no misy be vinany  ?

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT