Edito

Nahazo lesona tsara


  • Zoma 30 Novambra 2012

Re izao fa mivorivory etsy sy eroa efa ho herinandro izay ireo manampahefana ambony sasantsasany, sahiran-tsaina lalina mitady izay tokony atao manoloana ity fanakianan’ny iraisam-pirenena ny zava-nitranga any atsimo ity.

 Toa hoe efa tena miparitaka be mantsy ny feo any ivelany any, fa efa mitovy amin’ny Afrikanina ny miaramila malagasy. Tsy mety amin’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy ny tatitra nataon’ny Amnesty International sy ny fananganana ilay vaomiera mahaleotena hanadihady ny tena nitranga marina tany atsimo. Tsy maintsy hipoitra daholo mantsy ny marina eto, fa tsy hoe ailika ao an-damosin’i Marc Ravalomanana fotsiny ny halatra omby sy ny raharaha Remenabila dia ho vita ny resaka. Ny tena mahatalanjona amin’ity resaka ity dia tsy maintsy mahita tenenina hiarovan-tena sy hamelezana ny hafa foana, ry zareo ao ambonimbony ao, tsy manaiky ho diso. Raha tamin’ny volana septambra na oktobra, no efa nanangana vaomiera manokana hanadihady ny zava-misy tany atsimo ny fitondrana tetezamita, dia tsy nitatra tahaka izao ity resaka ity, saingy nanao be marenina tahaka ny mahazatra azy, hatramin’izay ireo mpitondra dia izao no vokany, ny vahiny indray no hanadihady ny zavatra nataon’ny mpitandro filaminana Malagasy.

Averimberina foana anefa fa hoe mahavita azy isika e, manana ny fiandrianany ny firenena e ! Nisy aza moa ny manamboninahitra sasany sahy nanakiana an-kitsirano izao ny Amerikanina sy ny SADC, fa hoe sekoly iray ihany no nianarana tany andafy, ary nisy aza no tsy nanao “école de guerre” akory, ka aleo tsy mifanome lesona. Ka tsy efa lesona be ve izao ataon’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpitondra tetezamita izao e ? Ny tena fahendrena rehefa be loatra ny zavatra tsy milamina, na tsy mazava ka miteraka resabe tsy mety vita etsy sy eroa, izay mety hanaratsy endrika ilay fitondram-panjakana dia mametra-pialana haingana izay tompon’andraikitra voakasika mivantana amin’ilay raharaha.

Eto amintsika moa dia tahaka ny ho nofinofy ihany ny hahita praiminisitra na minisitra na manamboninahitra ambony hanetry tena ka hametra-pialana izany. Ny efa esorina aza tsy mety miala fa mahita tenenina foana. Tany Etazonia anefa, tsy nisalasala nametra-pialana ilay jeneraly mpitari-tafika malaza, lehiben’ny CIA na ny sampam-pitsikilovana Amerikanina, noho ny resaka fampirafesana, ary tena niaiky ampahibemaso ny fahadisoany izy. Ny sekoly nianarana marina mety mitovy, fa ny fahaizana sy ny fahendrena dia samy hafa be !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT