Edito

Nahavita be, hono !


  • Alakamisy 11 Aogositra 2011

Korontana etsy, korontana eroa, misavorovoro izao tontolo izao, ary tsy i Madagasikara irery no ao anatin’ny krizy.

 Ny maha samihafa antsika amin’ny firenen-kafa fotsiny, dia isika sady mahantra ara-bola no mahantra ara-tsaina ary atao fanandramana izao karazana sori-dalana sy tondrozotra rehetra izao. Ny mpanao politika eto rahateo moa tsy mahita afa tsy ny tenany sy ny antokony ary ny fianakaviany koa dia mena ambonin’ny mena isika raha fahantrana no resahana, i Somalia sy Afghanistan miady an-trano sy tsy misy fanjakana tena mahefa marina no mitovitovy amin’i Madagasikara ankehitriny. Manampy trotraka izany moa ny fieboeboan’ny fitondrana tetezamita misy amin’izao fotoana, izay tsy mahay intsony manavaka ny tena laharampahamehana, fa hopitaly sy kianja manara-penitra no aorina eraky ny faritra kanefa lisi-pifidianana aza tsy voafehy ny fanaovana azy dia irosoana ihany ny fifidianana. Feno jiolahy mirongo basy manafika amin’ny lalam-pirenena, kanefa dia ompiana omena vola be sy fanamiana vaovao ao anaty lakazerina fotsiny ny miaramila. Raha misy mitady hikomy kely dia gadraina na amboarina any ambadimbadika any.

Dia midehaka ny mpitondra fa nahavita be, hono, raha oharina tamin’ireo teo aloha rehetra na dia tetezamita aza. Dia hoy ny be vazivazy : mitombina marina izany satria tato anatin’ny telo taona no tena niroborobo ny trafika sy asa ratsy isan-karazany toy ny fandripahana ny andramena, fitrandrahana an-tsokosoko ireo harena ankibon’ny tany any amin’ny faritra maro, fibodoana tanin’olona, fivarotana tany amin’ny vahiny izay nosoratana ao amin’ny lalàmpanorenana mihitsy, famonoan’olona, fanagadrana sivily sy miaramila, gaboraraka isan-tsokajiny amin’ny seha-pihariana rehetra. Dia tena nahavita be marina izao fitondrana tetezamita izao, ka nampihemotra an’i Madagasikara sy nandetika any an-davaka ny toekarena. Ny fialana bala ataon’ny mpitondra moa dia araka ny nambara tery ambony hoe : fotoanan’ny krizy mihitsy izao maneran-tany, ary na i Etazonia aza mba sahirana noho ny trosa misavovona ihany koa, dia mijanona eo ny resaka na ny mpanohitra no lazaina fa sakana amin’ny famahana ny krizy. Rehefa tena dinihana lalina anefa ny zava-misy dia variana amin’ny zavatra hafa angamba ny ankamaroan’ireo manampahefana ka tsy mivaky loha intsony amin’izay fiainam-pirenena, ary ambaran’izy ireo fa mpanakorontana na adala mihitsy aza ireo mpanao politika sy olon-kafa vitsivitsy tena mikatro-doha mitady ny fomba rehetra hivoahana amin’ny krizy.

Tokony mba hieritreritra ihany ireo miteny sy milaza azy fa nahavita be lavitra noho ny teo aloha, satria mahamenatra raha olona manana andraikitra ambony eto amin’ny firenena no tsy mahalala tsara izay aloaky ny vavany, na tsy mandinika tsara vao miteny. Efa maro loatra mantsy ireo fampanantenana nataon’izao fitondrana tetezamita izao, ary mety tena be lavitra noho ny nataon’ny mpitondra teo aloha marina, saingy vitsy no tanteraka araka ny tokony ho izy, mba tsy ilazana hoe tsy nisy mihitsy ! Porofo tsy azo kosehana amin’ny tsy fahaizan’ny FAT mitantana firenena ny fitokonana mipoitra etsy sy eroa, ny fandikan-dalàna sy fanaovana kolikoly isan-karazany miroborobo fatratra amin’izao fotoana, dia tena nahavita be tokoa ka !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT