Edito

Na ventiny farany aza!


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Farany vao misy ventiny na nisy ventiny, hoy ny fomba fiteny izay, ny hetsika iray rehefa mba misy ho antenaina ihany.

Mety vokatrana fivoriana io. Mety paikady saika tsy nahomby nefa nahomby ihany ny farany. Mety tetikasa saika tsy tafavoaka nefa mba nahitana mangirana tampoka ihany avy eo. Endriny maro no mety hisehoan’ny toe-javatra toy izany saingy rehefa mijery ny zava-misy iainana eto amin’ny firenena ankehitriny dia lasa ny saina hoe na ventiny farany aza! Na ventiny farany aza tsy hita ho andrandraina intsony ao anatin’izao fotoana farany hijoroan’ity fitondrana ankehitriny ity izao. Mijolotra daholo ny tetikasa rehetra. Tanamasoandro, Miami, lalambe migodana, lalana tsotra tokony atao tara na “goudron” aza moa ireny iaraha-mahita ireny fa tsy mety vita, tsy mety vita hatramin’ny farany. Ny sasany vao avy notokanana herintaona mahery na latsaka dia ireny efa hitantsika goaka be ireny. Tsy hita mazava hatramin’izao hoe ho entin’izao fitondrana izao mankaiza ary izany izao ity firenena ity? Miampita hatrany ivelany ary tena maha menatra olona io ny fomba fiasa kitanitany nampiharina nandritry ny 4 taona. Tomponandraikitra tokana no mampisavoritaka ambony ambany ambasady iray manontolo. Diplaomasia heverina tokony ho mora indrindra tahaka izany aza moa tsy voafehy ka ahoana no ahafehezana fifandraisana iraisampirenena avo kokoa noho izany toy ity hevintsika mikasika ny raharaha Okrainina izay tsy hita hoe mitodika mankaiza marina ity? Hitondra inona ho an’ny firenena moa izany ny hoe izao vao hanendry ambasadaoro na masoivoho sa dia ho fanilihana ireo namana atahorana hiova firehana fotsiny? Tsy misy afa-tsy fifidianana ve izany sisa no ho banjinin’izao fitondrana izao? Aiza intsony izany no maha mpitondra natao hiaro sy hanafaka ny vahoaka anaty fahantrana ao anatin’izany rehetra izany? Sa dia ho vitaina amin’ny tositosika sy ny tsinjotsinjo hatrany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT