Edito

Na topimaso aza


  • Talata 17 Novambra 2020

60 taona izao no nahazoan’ity nosy ity fahaleovantena. Nanomezana azy fahaleovantena moa izany ny marimarina kokoa. 60 taona koa anefa no nivoaran’ny fahantrany ka tonga amin’izao fahantrana lalina ilaharany amina firenena 5 monja izao.

 

 Ny tsikaritra aloha dia na topimaso aza mandrak’anio dia mbola tsy nataon’ireo mpitondra maro nandalo hatramin’ny mpitondra ankehitriny ny nijery ny aty vilanin’ireo vahoakany teto amin’ity Madagasikara ity. Manaporofo izany ny tsy fisiana fepetra maharesy lahatra hatramin’izao hampidinana ny vidin’ireo entana ilaina an-davan’andro eny an-tsena. Fiakarana mitohivakana no tsikaritra. Ny resaka solika moa dia efa naha kivy hatry ny ela ny fehezantenin’andriamatoa praiminisitra izay nilaza fa mbola tsy afa-mampidina izany isika manoloana ireo trosa marobe mbola mila alohantsika na dia nisy fidinany be aza ny vidin-tsolika maneran-tany tao anatin’izay 1 taona mahery nisian’ny hahamehana maneran-tany izay. Iaraha-mahita ny zava-misy ankehitriny fa dia feno revy indray aloha ny tanana mba tsy hilazana hoe fenoina revy mba hanadinoin’ny valalabemandry ny fahasahiranany. Tonga ny mpanakanto vahiny malaza. Adino hatramin’ny ahamehana ara-pahasalamana sy ny arotava. Tonga koa ny Barea. Tsy lavitr’izay koa no nitranga. Etsy ankilany dia mifanao ady atsanga ao anatiny ao moa izany ny mpitondra ka aiza moa no hananany fotoana hijerena ny vahoakany amin’izany? Soa ihany fa teo ny ekipam-pirenena hamerina indray ny firaisankinam-pirenena na dia mandalo ihany aza manoloana izany fahadalana rehetra izany. Alefa Barea hatrany !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT