Edito

Na samy resy na samy handresy !


  • Talata 15 Janoary 2019

“Tsy resy akory ny resy raha noresen’ny mpampandresy fa ny tena mpandresy dia izay mahay resy raha toa ka tena resy”, hoy ilay mpandinika raharaham-pirenena iray izay.

 Fehezanteny feno tsilalaonteny izy io nefa mahalasa ny saina aman’eritreritra ihany raha mandinika ny raharaham-pirenena ankehitriny amin’izao 4 andro mialoha ny hanaovan’ny filoham-pirenena vaovao fianianana ampahibemaso izao. Samy mandinika ny olom-pirenena tsirairay avy manoloana io fehezanteny io hoe iza ilay tiana holazaina ao anatin’ny tantara ? Mifamatotra ny anjara, ny hasina , ny tody sy ny vintana ary ny ozona, hoy ity mpandinika ity. Tsy azo fafana tokoa ny tantara. Hotsaroana fa nisy filoham-pirenena teo aloha noresena tamin’ny fifidianana kanefa sambany teto amin’ny firenena no sahy niatrika ny fahareseny na dia ny tenany sy ny vadiny irery miampy solontena vitsivitsy aza no olon-kafa tao anatin’ny efitrano nanaovana ny fanambarana ampahibemaso. Nanetry tena niarahaba ilay mpifaninana taminy natao nandresy azy izy ary mbola nanamafy izany ny ampitson’iny na dia nohogahogana sy nofantsihana mafy aza teny Ambohidahy. Hainy sahady ihany koa ny nitondra ny anjara biriky ho fanavotana ny mpiray tanindrazana aminy tamin’ny alalan’ny fampanenoana lakolosy miantefa amin’izay mpitondra vaovao sahady fa mahantra ny 92%-n’ny Malagasy. Manomboka eto izany dia ny tantara no hitsara ka na isika samy ho resy raha sanatria sendra izay mpitondra namitaka sy tsy mahatanteraka ny veliranony. Samy ho mpandresy tokoa anefa raha toa ka tena hohajainy izay nolazainy fa velirano ho an’ny rehetra izay. Na ho velirano handovana vintana tsy hahadiso anjara ny Malagasy isanisany tokoa no ho to na sanatriavin’ny vava velirano hahavery rano ka sady hanody ireo mpitondra no hitondra ozona mafimafy noho izay efa niainana ho an’ny mpiray tanindrazana indray. Tsy ho fantatra ary tsy azo valiana anefa izany raha tsy afaka 5 taona.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT