Edito

Na mifandamina, na mifamaly faty !


  • Alakamisy 21 Jolay 2011

Mety ho avy eto amintsika indray ny iraky ny vondrona SADC hanohy ny asa fanelanelanana satria tsy mbola fantatra mazava izay tondrozotra na sori-dalana eken’ireo ankolafy politika rehetra eto an-toerana sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa hamoahana an’i Madagasikara latsaka anaty lavaky ny krizy izao.

 Atoa Joaquim Chissano moa no mety ho avy eto raha tsy misy ny fiovana. Efa ho roa taona izay ny SADC no nivezivezy teto Madagasikara nihaino sy nampihaona ireo ankolafy politika saingy tsy tena nisy ny vokatra azo tsapain-tanana fa dia fifanakianana sy fifampihantsiana indray aza no mitranga ary dia voasoketan’ny andaniny sy ny ankilany ireo mpanelanelana rehefa hita fa mitanila na hafahafa fomba fiasa. Araka ny fahitana azy dia tsy hoe tsy mahay manelanelana ny Sadc fa ilay endrika nitondrana ny asa mihitsy no tsy nety. Nafantoka tamina ankolafy roa ny dinika, nitarina ho Ankolafy 4 dia tonga hatrany amin’ny 11 ny farany. Tsy tena voaresaka mihitsy anefa ilay olana fototra nahatonga ny krizy dia ny fifanolanana teo amin’ny fitondrana Ravalomanana sy ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Andry Rajoelina.

Efa nambara ombieny ombieny teto fa tsy maintsy mihaona sy miresaka mitokana aloha izy ireo mifanazava sy mifanaraka izay vao mety ho tony sy hilamina ity firenena ity, tsy sanatria fanilihana na fanambaniana ireo ankolafy politika hafa fa raha ny fandinihan’ny tena mpanara-baovao politika azy dia any amin’Atoa isany Ravalomanana sy Rajoelina ny fanalahidy hamahana ny krizy. Samy mahalala tsiambaratelo maro mahatonga izao fikatsoana izao izy ireo ary heverina fa samy manana mpanohana matanjaka avy any ivelany. Raha misy mpirahalahy na mpianaka miady tokoa mantsy dia tsy ry dada sy neny na i nenitoa sy dadatoa no hifandamina amin’ny toeran’izy ireo fa izy ireo mivantana, izay ilay hoe mifanatri-tava.

Miresaka aloha dia mihavana, ary dia tsy ho sarotra intsony ny mifanaraka aorian’izay. Tsy hisy mihitsy ny marimaritra iraisana hivoaka avy amin’ny fifandrafiana sy ny fifandirana, vao hiha sarotra aza ny raharaha raha mbola miampy fandrahonana sy fizahozahoana ary avovavona ilay izy. Averina eto indray fa tsy misy zanak’Andriamanitra na anjely izany eto ka hitsara ny hafa sy tsy hamindra fo mihitsy. Nifampizarana ny andraikitra nahatonga ny krizy sy nampahantra ny firenena ka tsy maintsy iaraha-mikaroka ny vahaolana ary fiaraha-miasa fa tsy fifanilihana no hampandroso. Raha misy ankolafy iray na roa tsy vonona mihitsy amin’ny fampihavanana dia hitohy maharitraritra ihany ny fanaovana valifaty politika eto, ka izay tsy eo amin’ny fitondrana dia manozongozona ny sezan’ny efa eo, ary izay nahazo seza tsy te hiala intsony. Izay foana no iainana eto ary dia azo antoka fa hitombo isam-bolana ny fahantran’ity firenena ity satria tsy mahay mifandamina ny mpanao politika sy ny manampahefana fa mifaninana manao sorona ny vahoaka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT