Na manova na vao mainka hilentika !

Aharihariharin’ny fahapotehan’ny firenena ankehitriny


  • Alakamisy 05 Desambra 2024

fa tsy manan-tsafidy intsony ny Malagasy fa na mifoha sy mandray andraikitra hitsinjovana ny ho

avy na hiha hilentika hatrany any anaty kizon’ny fahantrana sy ny fahapotehana. Tsy resaka fankahalana olona na vondron’olona, fa isan’ny fositra goavana indrindra mampilentika ny firenena tahaka izao ny tsy fahaiza-mitantana, kanefa toa fady izany hiaiky ny tsy fahombiazana sy hanova famindra izany, raha tarafina amin’io fitondrana ankehitriny io. Andaniny, tsy tena mipetraka ny arofanina politika hanoherana ny tsy mety, fa toa samy manao izay hihinanany na sanatrian’ny vava tena misy ny tsikombakomba avo lenta. Dia io ankehitriny fa mandady indray ny trambo amin’ny tetika mamohehitra hoenti-manao ampihimamba fahefana, mitohy indray ny endrika fanabadoana vahoaka mivantana na ankolaka hanaovana azy tohatra fiakarana hangoronam-pahefana,… Tena nahomby sy nitondra voka-tsoa ho an’ny Firenena ve anefa ireny ? Mbola izany hatrany no haverina sy fototra iorenan’ny fahefana eto ? Tsy mana-tsafidy intsony isika, fa tena mila ny isam-batan’olona ny Firenena, mila ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay,… fa raha izao no mitohy dia hay vinavinaina ny ho fahapotehan’ny firenena kanefa izao aza efa tsy azo iainana. Efa io iaraha-mahita io ny zava-misy, ka tsy any amin’ny fifamendrofendroana sy fifanenjehana no tiana hahatongavana fa ny hifohazan’ny isam-batan’olona hijoro handray andraikitra hanova ny tsy mety. Efa tena ny fahantrana mandifotr’olona, ny fitantanana mamohehitra, ny kolikoly, ny fampahantrana ny Malagasy,… izao no fahavalo iraisana ka tsy misy afatsy ny fanatsarahana izany no vahaolana. Any amin’ny vahoaka ny fahefana hanova, nomena saina afaka handinika sy hijery lavitra fa tsy hihinana am-bolony ny rehetra, koa alao hery ary fa manomboka eto ny fanovana !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT