Edito

«Na isika miady, na isika milavo lefona …»


  • Talata 04 Mey 2010


Mbola naverin’i Marc Ravalomanana indray tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tany Pretoria fa mila maharitra ny vahoaka Malagasy amin’ny famahana ity krizy ity, satria tena sarotra ny raharaha ka tsy azo atao maimaika na teren-ko masaka tahaka ny voalobo-jaza. Efa nambarako hatry ny ela, hoy ity filoha teo aloha ity fa na isika mijoro dia miady hatramin’ny farany, na isika miraviravy tanana sy milavo lefona dia hozanahan’ny olona fotsiny izao no sady alainy hatramin’ny farany ny harentsika rehetra. Anisan’ireo olona sahy nijoro amin’ny maha Malagasy azy ary tsy nitsitsy fitenenana tamin’ireo izay manambanimbany na mitady hametsifetsy sy hamitaka ny Malagasy i Marc Ravalomanana. Tsy nijanona ho resaka fotsiny ho azy ilay hoe fiaraha-miombon’antoka fa tena tanterahana amin’ny alalan’ny asa. Io fomba fisainana io no anisan’ny nankahalan’ny olona sasany azy. Ireto olona ireto moa dia ireo zatra nihinam-be sy namadika tanindrazana ary niaro hatrany am-boalohany ny tombontsoan’ny Frantsay teto. Efa nisy ny fotoana nandrabirabiana sy nanambatambazana an’i Marc Ravalomanana saingy, tsy nanaiky lembenana izy ary nijoro hatramin’ny farany. Ka izay no tena antony tsy maintsy nandrodanana azy, ambikambin-javatra ny ankoatra izay. Ankehitriny anefa, tsy mbola vita hatramin’ny farany ny asa nampanaovina an’i Andry Rajoelina, ary na ny Frantsay aza dia vaky loha mihitsy hoe ahoana ihany no hitondrana ity raharaha ity ? Arakaraka ny nandrodanana an’i Marc Ravalomanana mantsy izao no vao mainka mampatanjaka azy, ary mbola manaiky azy ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ary maro ireo manampy azy any ivelany amin’ny tolona ataony amin’izao fotoana. Mazava ny tenin’ity filoha Marc Ravalomanana : ady izao no atrehan’ny Malagasy, ady amin’ny mpanjanan-tany, ka tsy ho mora izany, saingy vitan’ny hafa ve tsy ho vitan’ny Malagasy.

Efa mpitranga maneran-tany izany : teo ny adin’ny Sinoa izay nozanahan’ny Japoney sy tsy nananany hantra mihitsy, tafavoaka ihany anefa ny Sinoa ary anisan’ireo firenena faran’ny matanjaka indrindra manerantany amin’izao fotoana, ary mety mbola matanjaka noho ny Japoney aza. Tsaroana eto koa ny adin’ny amerikana sy ny vietnamiana, nody maina ny Amerikana fa tsy naharesy ny Vietnamiana tany amin’ny taniny, na dia tena mifanalavitra be aza ny tanjaky ny tafiky ny roa tonta sy ny ho enti-manana. Ohatra iray tsy azo adinoina taty Afrika, ny fahasahiana lehibe nananan’ny filohan’i Rwanda Paul Kagame ; izay nilaza ampahibemaso fa tsy mila ny Frantsay intsony i Rwanda fa manana ny politikany manokana amin’ny fampandrosoany ny firenena ; efa nosamborin’ny sampam-pitsikilovana Frantsay i Paul Kagame, nomelohan’ny fitsarana Frantsay ary nolazaina fa tompo-marika tamin’ny nahafatesan’ny filoha Juvénal Habyarimana. Voafidy ho filohan’i Rwanda ihany anefa izy rehefa nitolona sy niady mafy, ary izy no nanarina ity firenena izay rotidrotiky ny ady an-trano sy ny adim-poko ity. Tsy mora, araka izany rehetra izany, ny fanoherana ny mpanjanatany ary mitaky tena fitiavan-tanindrazana amin’ny olom-pirenena tsirairay, tsy vitan’ny resabe koa izy io fa mila fanoloran-tena, ary tsy maintsy misy mpitarika. Ka raha amin’izao fotoana izao aloha dia Marc Ravalomanana no hita fa tena sahy ho amin’izany ary efa hatry ny ela izy no nanomboka ny ady, saingy ny olona no tsy nahatakatra na tsy niraika firy tamin’izany fa variana tamin’ny fitadiavana sy ny ady amin’ny fahantrana. Tsy misy antony anefa izany rehetra izany rehefa giazan’ny olona amin’ny ambongadiny ny tanindrazana.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT