Efa mivonona amin’ny tranga rehetra i Andry Rajoelina sy ireo mpanohana azy. Marihina aloha fa tsy ny mpitondra na manampahefana rehetra ao amin’ny tetezamita no ambara eto hoe mpanohana fa ny Frantsay, mpandraharaha vahiny sy Malagasy maromaro, fianakaviana sasantsasany avy eto Antananarivo ao anatin’ny «Club des 48» ary mpanolotsaina vitsivitsy tena atokisan’i Andry Rajoelina. Efa fantatr’izy ireo hatrany am-boalohany fa tsy maintsy ho tahaka izao no fizotry ny raharaha. Ho avy ny fifampidinihana, dia mody hanao sonia nefa tsy hampihatra ny nifanarahana Rajoelina. Hiala nenina ny sehatra iraisam-pirenena, hifandrafy ny samy miaramila, hilatsaka ny sazy, hiha sarotra ny fiainana, ho tezitra ny vahoaka ary mety hisy ny korontana sy ady an-trano. Haroso ihany anefa ny fifidianana. Tsy zava-baovao izany fa efa mpitranga aty Afrika, efa misy mihitsy ny lasitra omena ireo saribakoly ampiasain’ny Frantsay mba hanatanteraka io paik’ady io. Ka rehefa tonga ny korontana sy ady an-trano, dia tsy maintsy miditra an-tsehatra ny miaramila mpampandry tany avy any ivelany, hamerina ny fandriampahalemana.
Efa niomana ny amin’izany koa i Andry Rajoelina, ary mety efa manana paik’ady hialany amin’ny mety ho fanomezan-tsiny azy, na hambaboany indray ny fon’ny vahoaka izay nofitahany aloha hatreto. Ny resaka mandeha dia efa hatry ny ela no niomana ny amin’ny hampiditra vata-miaramila eto ny Frantsay. Ny tsiliantsofina re aza, dia efa misy tafiditra eto ireo miaramila ireo ka mody manao mpizahatany ry zareo. Raha ny resaka mandeha ihany dia mialoha ny 15 aprily ho avy izao no tokony ho vita tanteraka ny fihetsiketsehana rehetra. Miandry baiko fotsiny rehefa avy eo izy ireo, ary manatanteraka izay lazaina azy. Raha mety ny tetiandro napetraky ny HAT ka tafita tsara ilay fifidianana sy fananganana ny Repoblika faha-4 dia, tsy hipoitra mihitsy ireto miaramila efa miparitaka amin’ny faritra maro manerana ny Nosy ireto. Raha sanatria misy ny korontana dia hiaro an’i Andry Rajoelina izy ireo ary mety hanampy ny miaramila malagasy izay manaiky sy mankato ny fitondrana tetezamita misy ankehitriny. Raha tsy tafita mihitsy ny tetikasa dia hiandraikitra ny famoahana an’i Andry Rajoelina sy ny fianakaviany, hiala eto Madagasikara izy ireo.
Izany rehetra izany no mety mahatonga ireo olon’ny HAT tsy mihemotra amin’ny fanapaha-keviny sy sahy mamaly bontana ny sazy navoakan’ny Vondrona Afrikanina, satria efa mipetrapetraka avokoa ny fandaharan’asany, ary tsy misy atahorana ny momba azy sy ny fianakaviany. Fa mba efa manana mpiahy tahaka izany koa ve ireo fatra-panohana sy mivavaka mihitsy ny mba haharetan’izao tetezamita izao ? Hanao ahoana ihany koa ny vahoaka Malagasy ? Rahoviana vao hilamina ny fiainany ? Ny mpitondra nifandimby teto mantsy toa mitarika tolona dia mahazo fitondrana, dia miongana afaka fotoana vitsivitsy, dia avy eo lasa any ivelany ny ankamaroany… !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.