Na hifamono na hifamelona

Mampivarahontsana hatramin’izao ity


  • Alakamisy 04 Septambra 2025

resaka fahampoizinana sy fanampoizinana ara-tsakafo

malaza eto amin’ny firenena ity. Nalaza ny raharaha Ambohimalaza, efa ho 2 volana. Nitohy tamina tranga hafa saika nanerana ny nosy. Androany isika miresaka, ireo koa ny mbola ahiahy mampametra-panontaniana mikasika izany hatrany rehefa nisy mpanakanto miisa 2 be izao nindaosin’ny fahafatesana. Fijery lojikan’ny fiarahamonina mandinika ny hoe manimba sakafo ity delestazy tsy mety voafehy sy vao mainka mirongatra dia mirongatra ity. Manimba sakafo mila tehirizina anaty vatafampangatsiahana io, ohatra. Toy izany koa ny tsy fisian-drano. Ahoana no ahafahana mahazo antoka ny resaka fahadiovana eo amin’izay fikarakaràna sakafo izay ao anatin’izao toe-draharaha misy izao? Tsy mila fanazavàna avy amina Dokotera na Profesora mpitsabo dia efa mahatakatra an’izany ary tsotra ny safidy apetraka amintsika malagasy io izany amin’izao fotoana izao dia ny hoe na hifamono na hifamelona! Raha maty ny Air Madagascar dia satria nisy namono azy tao. Maty ireo orinasam-panjakàna hafa reharehan’ny firenena teo aloha, hatramin’ny taona 1991 no ho nankaty tahaka ny Solima, Sirama, Telma sy ny tariny rehetra dia satria nisy namono azy tao. Asa koa aloha izay mbola sahy hiteny fa orinasa miodina araka ny tokony ho izy sy mamelona tsara ireo mpiasa sy mpanjifa ao aminy izao Jiro sy rano malagasy na JIRAMA iaraha-mahita ankehitriny izao fa ny saina tsy miangatra sy tsy voatery mandinika be akory dia tokony samy ahita fa tena tsy araka ny tokony ho izy intsony izao na hoe «c’est pas normal!». Tsy «normal» toy izany koa ny manjo izany Kraomita malagasy na Kraoma izany, izay tena tsy misy miresaka mihitsy nefa. Ny tale jeneraliny tsy hita popoka hoe lasa aiza? Andrasana ho orinasam-panjakàna iza koa izany no mbola ho faty eto vao hiaiky ny mpitantana ity firenena ity fa mandeha amin’ny lalana mamono fa tsy mamelona ilay firenena izao fomba fitantanany izao? Andrasana ho orinasa tsy miankina firy no hihidy na mpandraharaha malagasy firy no potika? Na isika hifamono na hifamelona!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT