Edito

Mpivarotra amoron-dalana Hafindra toerana fa tsy hoe tsy havela hivarotra.


  • Sabotsy 28 Jona 2014

Raha ny fe-potoana farany nomen’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra dia omaly zoma no tokony ho niala teo analakely ireo mpivarotra amoron-dalana......

Ny fahitana azy anefa dia mbola nisy ireo mpivarotra nanohy ny asa fanaon’izy ireo teny an-toerana. Raha nanontaniana ny teo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo dia nanambara izy ireo fa tsy maintsy misy aloha ny fandaminana ny amin’ny toerana asiana azy ireo raha ny nambaran’Atoa Ranaivoson François Tale ara-teknika sy ekonomika eo anivon’ny tananan’Antananarivo. Ny zava-misy, hoy ihany izy dia misy ireo mpivarotra ireo no efa teo foana no nivarotra na tsy ao anatin’ny sehatra ara-dalàna aza ary misy kosa ireo tsy manana toerana eo fa noho ny fety dia manararaotra mivarotra eo. Tsy maintsy misy ny  fandaminana, hoy ihany izy mba tsy hisian’ny korontana tahaka ilay farany teo. Nanomboka omaly ny fanisana ireo mpivarotra sy ny famaritana ny toerana asiana azy, ary farafahatarany ny alatsinainy ho avy izao efa mahazo ny toerany ireo mpivarotra nafindra raha ny vaovao voaray

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT