Edito

Mpitondra mpianjoria


  • Alarobia 02 Martsa 2022

Gaga ihany omaly naheno ny praiminisitra lehiben’ny governemanta nilaza fa maika amin’ny hanatanterahana ny vinan’ny filoham-pirenena Malagasy. Inona amin’izay vina izay moa izany no tena maha maika azy ny hanatontosa

 izany? Ity praiminisitra ity ve izany mahalala tsara ny vinan’ny filoham-pirenena mihoatra ireo solombavambahoaka sy ireo rehetra nitonona ho akaiky ny filoham-pirenena hatramin’izay ary namolavola izany vina izany? Ireo rehetra ireo izay efa miha hita ho malailay fonosana amin’ity praiminisitra ity. Toa sambany rahateo no nahenoana ny praiminisitra nanao fanehoan-kevitra tahaka izany? Nandritry ny 3 taona mahery ve izany dia nandany andro tamin’ny werawera aloha ny tandapa rehetra? Hatraiza tamin’ilay vina izay tsy mety voafaritra hatramin’izao no mbola tsy vita? Ahoana ihany no tena fandehan’izy ity? IEM sa Velirano sa PGE sa PEM sa Plan Marshall sa ve samy atao daholo? Firy isan-jato isan’isany no efa vita? Fanina tanteraka ny mpanara-baovao sy sarambabem-bahoaka hoe inona ihany ary izy ity? Inona ihany ilay tena tiana atao fa toa mpitondra mpianjoria na “aventurier”, hoy ny fiteny vahiny izay no hita ankehitriny? Anatina fe-potoam-piasanana andrim-panjakana iray no hitsapatsapana ny alalin’ny rano amin’ny resaka fitantanana raharaham-pirenena. Rehefa hita fa tsy nisy vokany afa-tsy fahantrana miavosa ilay izy ankehitriny dia io hita ho vakiana fotsiny samy mifantoka sahady amin’ny fifidianana hoavy io daholo amin’izay. Ny sasany toy ny lasa akaiky indrindra ny filoham-pirenena tampoka izany na dia nampiseho endrika ho toy ny mpanohariana aza teo aloha teo. Ny sasany indray milaza azy ho tsy faly nefa mbola midongy hiara-hihinana ao an-dapa hatrany. Dia hifamorika sy hifanao mpamosavy malemy ao fotsiny ve izany mandram-pahatapitry ny amin’ny herintaona? Ny fitsinjovana ireo vahoaka izay miha sahirana hatrany amin’izany hatraiza sy ahoana ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT