Mpitolona niharam-boina

Mahatsiaro ho adino


  • Alarobia 01 Aprily 2026

Mitaraina sy manao antso avo amin’ny

fitondran’ny fanavaozana ny repoblika izay tarihin’ny kolonely Michael Randrianirina ireo mpitolona tra-doza nandritra ireny tolom-bahoaka teto amin’ny firenena ireny ny mba hijeren’ny fanjakana azy ireo sy hanatanterahana ny fampanantenana izay natao. Hatramin’izao dia zara raha nisy nahatsiaro ireo olona ireo, raha ny nambaran’izy ireo. Isan’izany i Razanajatovo Paul Joseph izay notifirin’ny zandary teo anoloan’ny Toby Ratsimandrava ny faha 11 oktobra 2025 ary bala niditra teo amin’ny Feny no nahavoa azy. Andro maro no nitazonana azy teny amin’ny hopitaly ary tsy afaka nivoaka raha tsy voahala ny Bala izay tafiditra tao amin’ny feny ankavia. Taorian’io dia tsy nisy intsony ny fijerena na fanampiana nomen’ny fanjakana na dia maro aza ny fampanantenana izay nataon’ireo nahazo seza, hoy ity tovolahy ity. Ny 22 janoary no nisy fanomezana ara-tsakafo azon’izy ireo ary teo no nilazana fa tokony hikarakara taratasy ireo niaram-boina ho entina any amin’ny filohan’ny fanavaozana. Ny DAS na ny «Direction des Affaire Sociale» eo anivon’ny fiadidiana ny fanavaozana no nandray izany. Ny teo anivon’ny zandary ihany koa dia efa niala tsiny sy nampanantena azy ireo fa hanonitra ny fahadisoany teo aloha. Hatramin’izao anefa, raha ny filazan’izy ireo hatrany dia tsy misy tohiny intsony ity raharaha ity. Rehefa manatona io sampan-draharaha io izy ireo dia ny hoe «Miandrasa antso» no valiteny azo, raha ny fintantaran’i Razanajatovo Paul Joseph hatrany. Mamelom-bady aman-janaka, manofa trano ary mampiana-janaka toy ny raim-pianakaviazna rehetra anefa ny tena, hoy izy. Ny asa tsy misy, ny takaitra babena. Miantsoa ny tomponandraikim-panjakana mba hijery azy ireo satria mpitolona nandritra ireny hetsika ireny izy ireo na tsy ao anaty fikambanana na Gen Z aza, hoy hatrany ny fitarainan'izy ireo.
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT