Edito

Mpitari-bato vilam-bava …


  • Alakamisy 05 Mey 2011


 Miha mazava ihany ny resaka ankehitriny fa famotsoran-keloka ho an’ny akama sy ny mitovitovy hevitra amin’ny mpitondra tetezamita ihany no hodinihina sy mety ho lany eny anivon’ny parlemanta, na hambaran’ny filohan’ny FAT amin’ny alalan’ny didy hitsivolana, fa tsy hisy mihitsy ny tena fampihavanana sy famotsoran-keloka hametraka ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Raha ny tenin’ny olom-boatendry sasany aza dia hoe ny parlemantera vaovao voafidy ao anatin’ny Repoblika IV, hono, no tokony handinika sy handany ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka. Koa inona izany fa tsy famitaham-bahoaka fotsiny no nanaovana ireo karazana fivoriambe nakan-kevitra satria tsy hovitain’ny fitondrana tetezamita hatramin’ny farany akory ny fampihavanana. Tena mampieritreritra mihitsy fa rehefa mitady tombontsoa manokana ireto parlemanteran’ny tetezamita ireto dia tsy misalasala milaza fa mitovy andraikitra amin’ny depiote izy ireo ka tokony handray karama mitovy aminy, fa rehefa handinika volavolan-dalàna hampitony ny firenena kosa dia milaza fa olom-boatendry ka tsy afaka misalovana ny asan’ny olom-boafidy. Iny eo ihany fa ny tena mahazendana dia ny fisian’ny fanavakavahana avy hatrany amin’io resaka famotsoran-keloka io.

Raha ny marina dia tsy hahazo an’io mihitsy Atoa Ravalomanana raha ny fandehan’ny raharaha amin’izao fotoana no zohiana satria miasa mafy ireo mpanohana ny FAT mba hitady ny fomba rehetra hampihemotra lava ny fahalanian’ny «amnistie» na raha voafidy mialoha izany dia tsy tafiditra ao anatin’ny lisitra ny filoha teo aloha satria nolazaina fa nanodinkodina volam-panjakana sy namono olona. Niaraha-nahita ihany anefa fa hazakazaka narahin-tosika ary tena mbola azo iadian-kevitra tsara ny raharaham-pitsarana rehetra nanamelohana ity filoha teo aloha ity. Tanjona politika mazava ny ao ambadik’izany rehetra izany dia ny tsy hahafahan’i Marc Ravalomanana milatsaka hofidiana filoham-pirenena. Mipetraka eto ny fanontaniana hoe : resy lahatra tanteraka ve ny fitondrana tetezamita fa hampilamina ny firenena sy hanala fahasahiranana ny vahoaka ny fanakanana ny filoha teo aloha, izay tena mbola mahazaka olona manerana ny nosy ?

Fampihavanana sy fifankatiavana no matetika averimberin’i Andry Rajoelina kanefa toa manao mpitari-bato vilam-bava ihany izy sy ny fitondrana tarihany raha tena dinihana satria ny mifanohitra amin’izay no atao, dia ny fanagadrana sy tsindry bokotra ny tsy mitovy hevitra amin’ny tena, eo ihany koa ny fanakantsakanana amin’ny endriny mivantana na an-kolaka tahaka ny atao amin’Atoa Ravalomanana. Maro no resy lahatra fa tsy hilamina mihitsy ity Madagasikara ity raha tsy miresaka sy mifanaraka tsara ireo mpitarika ny ankolafy politika goavana, ny ankolafy 4 no tian-kambara. Rehefa avy eo dia miresaka ny mpitarika sy ny mpanao politika rehetra. Mety misy maromaro ny hevitra tsy mitovy fa tokony ho tokana ny tanjona dia ny hampandroso an’i Madagsikara sy hahasambatra ny Malagasy. Tsy ho tanteraka anefa izany raha mbola misy ny fanilihana amin’ny endriny maro samihafa satria raha mbola Malagasy ihany dia manana zo feno ny hitondra ny heviny sy ny fahaizany hanavotana ity firenena ity. Tokony ho efa noraisina lesona ny nitranga tany aloha ka tsy averina intsony, saingy mampahonena ihany ny mahita fa mbola maro ny manampahefana sy mpanao politika mpitari-bato vilam-bava !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT