Edito

Mpitari-bato vilam-bava


  • Talata 01 Aogositra 2017

Malalaka sy mahaleotena ny fitsarana, hoy ny filohampirenena, saingy tokony hamongotra ny kolikoly.

Takiana matetika koa, hoy izy, ny fanjakana tan-dalàna saingy rehefa ampiharina ny lalàna dia misy foana ny milaza ho tsy afa-po ary milaza fa mangeja ny fampiharana ny lalàna. Dia gaga ianao manontany hoe oviana izany lalàna nampiharina teto izany ? Tsy hitam-poko, hitam-pirenena aza ve fa didim-pitsarana nivoaka izao dia sahin’ny fitondrana ny manafoana azy amin’ny alalana didim-pitondrana navoaka avy eny anivon’ny prefektiora ? Moa va tsy mampatsiahy ilay didim-panjakana nofoanana didim-pitondrana tamin’ny tetezamita ? Iza ary no tena fatra-pandika lalàna eto amin’ny tany sy ny firenena amin’izao fotoana izao ? Milaza ny eo anivon’ny fitondrana fa mila fotoana ny fanatanterahana ny fampandrosoana kanefa na ny fanetriben’izany tsy fahafahana mandroso izany aza hita miharihary eo imason’izao tontolo izao fa resaka fotsiny ny an’ny mpitondra ny hoe hanafoana azy. Ankoatry izay efa voalaza dia mbola santionany hafa koa ny fahanjavozavonan’ny raharaha Razaimamonjy sy Antsakabary ary ireo hafa marobe mbola ilazana eo am-panatontosana ny fanadihadiana efa aman-taonany izao. Hanafoana ny kolikoly ve ny fanahiana ny fitondrana sy ny firenena ho tototry ny kolikoly ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT