Edito

Mpitari-bato vilam-bava


  • Alakamisy 14 Jolay 2016

Nisy fanamarihana miendrika fanakianana ihany avy amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mahakasika ilay lalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2016 nolanian’ny solombavambahoaka farany teo.


 Fanamarihana izay midika fa misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny lalampanorenana tao. Tranga izay manaporofo hatrany fa tena misy ny kitoatoa amin’ny fomba fiasan’ny depiote eny Tsimbazaza eny, ka na misy aza ny zavatra efa hita izao fa hafahafa dia laniana ihany satria izay angamba no baiko azon’ny maro an’isa. Loza amin’atambo rehefa ny fahefana mpanao lalàna no manana fomba fiasa tahaka izany. Tsy hiadiana hevitra eto na fahadisoana lehibe na kely fa rehefa tsy manaja ny lalàna aloha dia efa fahotana mahafaty izay. Rahoviana no mba hisy adihevitra tena matotra tsara ary mitsinjo tokoa ny tombontsoa iombonana eny amin’ity lapan’ny depiote ity ? Tezitra izy ireo rehefa voapanga ho mandray vola ho takalon’ny safidy atao, kanefa mazava be fa misy zavatra tsy milamina ao e ! Aiza moa no hilamina ny firenena, ireo mpanao lalàna mihitsy hay no manondrana !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT