Manoloana ny fitakiana sy fitokonana etsy sy eroa dia fantatra fa nanapa-kevitra ny FAT fa hanazava ny sain’ny vahoaka sy hanao fanentanana fa tsy ao anatin’ny tetezamita mihitsy, hono, no hanomezana fahafaham-po ireo mitaky tombontsoa tahaka ny fisondrotan-karama na fanomezana tambinkarama, na inona na inona mety ho antony. Voakasik’io ny sehatr’asa rehetra eo anivon’ny fanjakana. Midika izany fa tsy hisy mihitsy fanekena na dia amin’ny ampahany aza ny fitakiana ataon’ny mpitsara sy ny mpampianatra mpikaroka, ary ireo rehetra mbola mieritreritra ny hanao izany. Manenjana ny FAT ary mieritreritra ny tsy hilefitra mihitsy. Ny olana anefa araka ny fahitan’ny maro azy dia manohitra amin’ny zavatra ataony ny ambaran’ny FAT, rehefa mitaky ny tombontsoa sy ny zony, izay efa voasoratra mazava ho lalàna fa miandry didy fampiharana azy fotsiny ny olona, dia lazaina fa tsy azo ekena izany satria sahirana ara-bola, hono, ny fanjakana.
Etsy ankilan’izay anefa dia midehaka ery ireo ministra sy olona ambony milaza izao karazana tetikasa goavana atao sy atomboka amin’ity taona ity, tahaka ny lalana sy tetezana, ny hopitaly, ny sekoly. Mipetraka eto ny fanontaniana hoe : iza no neritreretina hiasa amin’ireny fotodrafitrasa ireny raha toa ka mifandimby mitokona ny mpampianatra, ny mpitsabo, ny mpitatitra ny mpiasan’ny seranan-tsambo ? Efa mba nodinihan’i Andry Rajoelina sy ireo mpanolotsaina azy ve ny zavatra mety hateraky ny fanambarana sy fanomezana toky ary fampanantenana ataon’izy ireo ? Rehefa mitaky ny zony ve ny olona dia fisamborana sy fampidirana am-ponja avy hatrany no atao aminy ? Raha ny voasoratra tao amin’ny tatitry ny filankevitry ny ministra farany teo no jerena dia ho avy amin’ny angady sy ny harona ny FAT ka hanao izay fomba rehetra hitany fa mety hampiatoana ireo karazana fitokonana, na ny an’ny mpitsara io na ny an’ny mpampianatra mpikaroka na ny an’ireo mpiasa ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Mandeha izao ny resaka fa mety hisy mihitsy ny fisamborana ireo lohandohan’ny mpisorona mitarika ny fitokonana. Ny mahagaga dia maika sy dodona ny FAT handoa ny tombontsoan’ny sefo fokontany izay mikomy tsy mety hikarakara lisi-pifidianana koa ny akamaroany. Koa tsy mpitari-bato vilam-bava ihany ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.