Edito

Mpitari-bato vilam-bava


  • Zoma 27 Jona 2014

Hatreto aloha dia mbola ny omaly tsy niova ihany no fahitana ny fihetsiky ny mpitondra. Tsy misy ny zava-baovao, vokisana kabary fotsiny aloha ny vahoaka dia sasana atidoha amin’ny resaka fampanantenana sy fanomezan-toky

Tsy tena mbola voasoritra mazava ny fomba hanatanterahana ny asa, maro ireo nanantena no diso fanantenana indray raha nandre ny kabarin’Atoa filoha. Tsy dia misy azo raisina firy hoy ny sasany, nisy ny niteny fa tsy misy apoaka mihitsy anie ingahy prezida izany e ! Tao no sorena satria toa tahaka an’ilay kabary tamin’ny 25 janoary ihany no namboamboarina dia naverina. Ataon’i Hery Rajaonarimampianina tsianjery ny hoe firaisan-kina, fifanomezan-tanana, fihavanana kanefa izany tokoa ve ny zava-misy ? Tsy maintsy mifanome tanana fa tsy mifanilika isika raha te hampandroso haingana ny firenena, hoy ingahy filoha. Ka nahoana ary no misy olona vonona ny hitondra ny fahaizany, ny fahalalany sy ny traikefany kanefa sakanana amin’ny fomba maro samihafa ? Dia inona moa no tena antony tsy hamelana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana hiverina an-tanindrazana hatramin’izao e ? Iaraha-mahalala tsara anefa fa manana ny ambarany momba ny fandaminana ity firenena ity izy ary tena havanana amin’ny resaka toekarena, fananganana orinasa, fanamboarana fotodrafitrasa, fifampiresahana amin’ireo mpiara-miasa any ivelany. Atoa Ravalomanana dia anisan’ny mpitondra tena mahafantatra amin’ny antsipirihany ny zava-misy eto Madagasikara noho izy nahatety faritra maro be nandritra ny naha filoha azy.Tahaka ny resabe sy fampiesonana ihany indraindray ity hoe fifanomezan-tanana sy fampihavanam-pirenena ity satria tena mbola misy ny fanilihana, mbola hita ihany ny fitiavan-tena sy ny halako bika tsy tiako tarehy. Fa hiandry rahoviana vao tena hiara-kiasa e ?  Hafa ny kabary, hafa ny asa atao, koa tsy izany ve no atao hoe mpitari-bato vilam-bava e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT