Mpindrana fahefana sa mpandroba fahefana?

Famaritana sy soatoavina raketin’ny hoe : «politika»


  • Alatsinainy 08 Aprily 2024

ny fomba fitantanana sy fampandrosoana ny fiarahamonina !

Moa ve tena araka izany ny endrika isehoany sy hitondran’ireo ambara fa mpanao politika sasany azy ankehitriny? Marina fa ny tanjon’ny antoko politika dia ny haka fahefana sy hitondra firenena, saingy tokony hifanaraka an’ilay voalaza etsy ambony. Tsy izay aloha ny mitranga ankehitriny, fa natao hakana fahefana ahafahana manao izay danin’ny kibo amin’ny fitantanana firenena. Adino ny soa iombonana fa mirona any anatin’ny fitiavan-tena, fitiavan-tseza, fitiavam-pahefana, fitiavam-bola,… Tsy misy tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka izay ambara hatrany fa mpampindrana fahefana satria ireo aza no toa ampandadizina sy atao tohatra fiakarana lava eto. Mbola azo lazaina ho mpindrana fahefana ve ny mpitondra eo anatrehan’ny amboletra sy kopisoroka sa efa mpandroba fahefana? Adino sy tsy misy hasiny amin’ny mpitondra ny vahoaka raha tsy efa fifidianana. Tsy misy tahotra sy henatra eo anatrehan’ny tsy fahombiazana ny mpitondra ankehitriny, ary mihevi-tena ho andriamanjaka sy tompon’ny fahefana tsy misy fetra. Tsy misy arofanina, tsy misy tahotra, mahazo diso, mahazo mandika lalàmpanorenana, afaka manitsakitsaka ny demokrasia, afaka manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, afaka manjazakazaka miliba amin’ny volam-panjakana, afaka mangalatra amin’ny fifidianana, afaka tsy miraharaha izay toakena sy sosialim-bahoaka,… Fampandrosoana inona no antenaina amin’izany? Moa misy hiraharahiany izay vahoaka any raha toa ka ny namany angady nananany sy vy nahitany io Fanjakana io aza tapitra nivadihany sy nahatsiaro ho diso làlana niara-dia taminy? Moa dia tena resy lahatra amin’ny ambara fa “Madagasikara tsy maintsy mandroso” ventesina lava ve ny Malagasy sa mba mipetraka sy manaja tena na koa difotry ny fahantrana dia araraotina? Tsy mbola tar any Malagasy raha hanova araka ilay hoe: “tanala very sampy ka manova no mety? Tsy efa fotoana ve izao hanilihana ny tsikalakalam-bola ka homena sehatra amin’izay ny foto-kevitra sy ny tsikalakalam-pihavanana?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT