Mpifaninana fa tsy mpifahavalo !

Herinandro latsaka sisa dia hiroso


  • Alakamisy 14 Novambra 2024

dia hiditra amin’ny fampielezan-kevitry ny

fifidianana ben’ny tanàna izay hatao ny 11 desambra isika. Samy manana ny paikadiny sy ny fomba hiatrehana an’io, saingy mbola betsaka ny tranga maneho ny fiezahana hampirefarefa hatrany ny fanaovana politika eto raha tsy hilaza afatsy ny fanararaotana ny fahantram-bahoaka, ny fanosiketana sy fanosoram-potaka,… Mbola tiana hapetraka eto hatrany ny fitiavan-tena amin’ny endriny samihafa, ary tena tafiditr’io ny lafiny politika satria rehefa ianao no miteny dia teren’ny hafa ho vorondolo, fa rehefa izy no miteny dia voromanga. Tena mila fanavaozana ilay fanaovana politika fa toa adino tanteraka ny hoe : mpifaninana fa tsy mpifahavalo ireo kandida. Raha nolazaina taloha fa harena ny fahasamihafana, ary ny hevitra tera-bary, dia ezahana voizina ankehitriny fa samy mpanohitra aza ohatra fa tsy iray antoko, dia mandeha ny fanaratsiana sy fandotoana samihafa na « diabolisation » amin’ny hoe : mpamadika tolona, tsy tena mpanohitra,… Tsy aleo ve mifanaja sady tsy anio sy rahampitso ihany anie ny fiainam-pirenena e? Firenena iaraha-manana ity, ary haverina sy tsiahivina foana fa ny fahantrana no fahavalo voalohany, ny tsy fahombiazam-pitantanana no mila resena, ny soa iombonana ho an’ny vahoaka no mila tadiavina sy iadivana mafy,... Izay ilay iresahana foana hoe : tena ilaina ny politika miabo, ilaina ny fitarihana sy fitezana ny olona hisokatra kokoa ka hahay hijery fa mamy kokoa noho ny akondro ny tantely !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT