Ajanona avokoa ny asa fanamboaran-dalana rehetra manerana ny Nosy hanamboarana ny lalam-pirenena faha-44, hoy i Andry Rajoelina tao Ambatondrazaka ny sabotsy 04 septambra teo. Fanambarana mbola narahina fampanantenana fa afaka iray volana dia hanomboka ny asa. Ny mpandraharahan’ny asa vaventy dia mahay tsara ny fombafomba amin’ny tolotrasa mahakasika asa goavana toy izany. Raha ny lalàna mantsy no arahina, dia manana 45 andro ireo orinasa hahazo io tsenan’asam-panjakana io raha tolotrasa iraisam-pirenena. Manginy fotsiny ny fotoana lany hanaovana azy sy ny pitsopitsony manodidina izany. Ato anatin’ny iray volana anefa no nambara ampahibemaso fa hanombohan’ny asa. Dia efa misy sahady ny miketriketrika any fa dia ho resaka ‘ty sy ‘nday indray no ho fandehan’ny tolotrasa hatao eto. Raha nidina tampoka teny Antsonjombe ihany koa ny filohan’ny FAT dia nanamafy fa efa an-tanana ilay vola zato tapitrisa dolara avy amin’ny orinasa sinoa Wisco tambin’ny fitrandrahana vy any Soalala.
Fantatra kosa anefa fa tsy natao anatin’ny tetibolan’ny ministera ity vola ity fa dia hotantaniny ao Ambohitsorohitra, manampy izay tetibola efa nofaritana tamin’ny tetibola ho an’ny prezidansa ny FAT. Mitantana vola mihoapampana ny ao Ambohitsorohitra, tsy mifanentana akory amin’ny toekarena. Tsy miteny izay tetibolan’ny prezidansa tamin’ny andron’ny filoha Ravalomanana na dia efa nahatratra 7,1% aza ny fitombon’ny harinkarena faobe tamin’izany. Ny mahagaga amin’ity dia ny hoe vola azo avy amin’io Soalala io no hanamboarana an’Antsonjombe. Izay tian-dRajoelina hatao io e ! Soalala no mangana nefa Antsonjombe no hamiratra. Ity farany izay fampanantenan’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna teto Antananarivo ny taona 2007. Asainy atao izao kazarana fivoriana fakan-kevitra rehetra izao, avory etsy eroa koa ny mpanao politika, soniaviny ny fifanarahana hamaranana ny krizy, tsy eto an-toerana ihany fa tsy hatrany ivelany, nefa avy eo izy ihany indray no milaza fa tsy ilaina ny fiaraha-mitantana, manahirana azy ny demokrasia, tsy nahavita azy ireo mpitondra nifandimby teto tao anatin’ny 50 taona … fa ny azy ihany no tanterahina ? Sa te hametraka fitondrana tsy refesi-mandidy eto izy, ka hatao Mpanjaka vaovao ? Ho fanomanana ny sain’ny mpiara-dia aminy momba izany ve no nisalorany akanjo hafa kely ny ankatoky ny fetim-pirenena raha nikabary izy ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.