Edito

Mpanelanelana sa mpanakorontana ?


  • Alatsinainy 18 Desambra 2017

Tsy mbola misy tokotaniny hatramin’izao ny tetiandrom-pifidianana kanefa andro vitsy sisa dia hatao veloma ity taona 2017 ity ary hiditra ao anatin’ilay antsoina hoe taom-pifidianana amin’izao isika.

Etsy an-kilany anefa dia ny lalàmpanorenana, izay raha faritana ara-bakiteny dia hoe lalàna nanorenana izao fomba fitondrana izao indray no mbola tadiavina hokitihina ary ilay andininy sy andalana mifanandrify amin’ny resaka fifidianana mihitsy no mbola tadiavina hamboamboarina. Fa firenena kitoatoa mihitsy ary ve izany ilay Madagasikara no dia tadiavina hampiharana fanapahan-kevitra kimaimaika lava izao ho an’ny tombontsoa manokan’izay eo amin’ny fitondrana ? Mbola sahy nilaza ihany ny avy eo anivon’ny CENI fa mila 363 andro mba hahafahana manomana tsara ny fifidianana volana vitsy lasa izay kanefa ny famatsiam-bola ity toa mbola baraingo ny mikasika ny resaka fahatongavany sy tsy fahatongavany. Ny tena mampametra-panontaniana dia hoe ireto hirahiraina ho mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka ireto ve tena mipetraka tokoa amin’izay andraikitra hiheverana azy izay ka hijoro ho mpanelanelana fotsiny rehefa tena raikitra ny dingana rehetra fa tsy sanatria ho mpanakorontana sy mitsabaka amin’ny tsy tokony hitsabahana toy ny efa fanaony teo aloha indray ? Maha lasa saina ihany ny mandre hoe tao anaty andro iray rafitra 2 mpiara-miasa izao, ny PNUD, rafitra iraisampirenena, ary ny CENI nasionaly, kanefa dia samy mamory mpanao politika ao anaty fotoana mifanindry. Aiza moa no tsy ho mpanao politika 23 monja amin’ireo 100 mahery misy eto no nanatrika ilay fivoriana karakarain’ny rafitra iraisam-pirenena. Mampieritreritra ihany a !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT